Zoma 29 oktobra 2021 – Fifamindran-draharaha teto anivon’ny “Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure”

Tontosa anio tolakandro tao Antsahavola ny famindran-draharaha nataon’i Ramatoa ABRAHAM Lantoniaina Félicité, lehiben’ny sampandraharaha “opérations” teo aloha, izay voatendry ho Talen’ny Foibem-pitondrana misahana ny Fandrindrana sy Fanjohiana ireo Fanavaozan-draharaha (DCSR) vaovao eto anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola tao anatin’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 27 oktobra lasa teo, amin’ny talen’ny BACE, Atoa RAJOELINA Hery Mandimby.

Nanatrika izany ny mpiara-miasa rehetra eo anivon’ity birao ity. Izy ireo izay nisaoran-Rtoa tale ny amin’ny fiara-mientana. Atoa Tale kosa dia nirary soa azy amin’ny asa vaovao sy ny andraikitra maro izay hiandraiketany.