Visite de courtoisie

Nanatanteraka fitsidihana ara-pombam-panajana ny Minisitry ny Jono sy ny Toe-karena Manga, Atoa Dr Tsimanaoraty Paubert Mahatante ny Talen’ny BACE, Atoa Rajoelina Hery Mandimby sy ny mpiara-miasa aminy anio alarobia faha 21 oktobra 2021 teny Ampandrianomby.
Nararaotina tamin’izany ny fampahafantarana ireo fandaharanasa izay vatsian’ny Vondrona eoropeana vola, indrindra ho an’ny sehatry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Noresahin’izy ireo ihany koa ireo zava-bita sy ny sakana hatrehana amin’ny fanatanterahina ireo fandaharanasa ireo.
Izany no natao dia mba hahafahana miara-midinika sy hampandeha aingana ary tsara ny asa rehetra miandry.