Troisième réunion du Comité de Suivi et d’Orientation (CSO) du programme AFAFI – Sud

Notontosaina tao Farafangana, anio faha 03 novambra ny fivorian’ny komity mpanara-maso sy mpandrindra na « Comité de Suivi et d’Orientation – CSO » andiany fahatelo ny fandaharanasa AFAFI-Sud.
Izany dia notronin’ny goverinoran’ny faritra Atsimo-Atsinanana, ny solontenan’ny goverinoran’ny faritra Androy sy Anosy, ny Talen’ny BACE sy ny solontenan’ny Vondrona eoropeana izay mpamatsy vola ny fandaharanasa AFAFI-Sud.
Mizara telo ny tanjona kendrena amin’ity CSO ity dia ny mba hahafahana manara-maso akaiky ny fizotran’ny asa izay vita, ny fijerena ifotony ireo olana nahatonga ny fahatarana amin’ny fanatontosana ny asa ka mba hanolorana vahaolana, ary ny fanomezana toro-lalana vaovao sy stratejika mba hanatsarana ny fanatanterahana ny fandaharanasa.
Ny tanjon’ny fandaharanasa AFAFI-Sud dia ny fampihenana ny fahantran’ny mponina tantsaha any amin’ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Atsinanan’i Madagasikara.
Kaominina 35 any amin’ireo faritra ireo no misitraka ity fandaharanasa ity.
- Ny sehatrasa fototra voalohany dia miompana amin’ny fanohanana tsy mitanila sy lovain-jafy ny fampandrosoana eny ambanivohitra .
- Ny sehatrasa fototra faharoa, dia ny fanatsarana ny famokarana sy ny fanjarian-tsakafo ary ny paikady ho enti-miatrika ny fiovan’ny toetrandro eny ambanivohitra.
- Ny fahatelo farany dia ny fampiroboroboana ny rojom-pihariana toy ny voly fanondrana, ny tongolo, sakamalao, ny jono an-dranomasina,…
Hita taratra nandritra ny tatitra mahakasika ny asa vita fa tsara ny vokatra ary mandroso hatrany amin’ny fanatanterahana an’ireo asa ny tompon’andraikitra na dia teo aza ireo olana maro nolalovan’ ny fandaharanasa, toy ny tiomena sy ny hain-tany ary ny covid 19. Ohatra amin’izany:
- Toby fandraisana ny reny sy ny zaza miisa 93 no voatsangana sy nahazo tohana
- Notolorana materialy informatika sy moto ireo faritra telo iasan’ny Fandaharanasa sy ny fitaleavam-paritra miisa 6 (DRAEP sy DREDD)
- Miisa 63 ny toeram-pamatsian-drano fisotro madio namboarina
- 36% no tahan’ny fahatontonsan’ny fanamafisana ny traikefan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
- Miroso koa ny fametrahana ny Kisarim-panajariana ho an’ireo kaomina na Schéma d’Aménagement Communal eo anivon’ireo kaominina iasan’ny AFAFI-Sud
- Mitohy ny fanapariahana ireo masom-boly voafantina any amin’ireo faritra telo.


