Tetikasa AMPIANA 2 na Appui aux Marchés Piscicoles en Analamanga

Ny tanjona ankapobeny ny tetikasa Ampiana 2 dia ny fanatsarana maharitra ny fidiram-bolan’ny olona any ambanivohitra sy ny fanjariana ara-tsakafo ho azy ireo, indrindra ho an’ny vehivavy sy ny ankizy, amin’ny alàlan’ny fanamafisana ny fiompiana trondro ho ana tokatrano iray.

Ny tetikasa Ampiana 2, tanterahi’ny ONG APDRA, miaraka amin’ny CIRAD sy FOFIFA, dia nanomboka tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 1 martsa 2021 ary aharitra 4 taona ny fanatanterahana azy. Marihina fa iray amin’ireo tetikasa dimy ao anatin’ny fandaharanasa AFAFI-Centre ity tetikasa ity, ary vatsian’ny Vondrona eoropeana vola.

Miampy 24 ny isan’ireo kaominina isitraka ny tetikasa, ankoatra ireo kaominina 26 izay efa nisitraka izany tamin’ny dingana voalohany, izay miparitaka amin’ireo distrika enina : Ambohidratrimo, Ankazobe, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Manjakandriana ary Arivonimamo.

Hahafahana mamaritra tsara ny tohana tokony omena ireo mpisitraka izany dia nisy ny fitsirihana sy fijerena ifotony ireo toeram-mpamokaran’ireo mpiompy tao amin’ireo kaomina efa niasana teo aloha. Nanomboka niaraka tamin’izany koa ny fampiofanana sy ny fanaraha-maso ara-teknika ireo mpiompy trondro ho fanomanana ny vanim-potoanan’ny trondro 2021-2022. Mpanolotsaina mpanentana mikasika ny fiompiana trondro miisa 7, na ACP, no niasa tao amin’ireo distrika ireo nanomboka tamin’ny Jolay 2021. Niova ny paikady enti-miasa. Entanina ireo mpamokatra sy ireo mpanentana hiroso amin’ny fikarohana vahaolana iraisana.

Ny fanomboana ara-pomba ofisialy ny tetikasa AMPIANA 2 dia kasaina hatao amin’ny telovolana farany ny taona 2021.