Projet DIABE : Fambolen-kazo
Mba ahazahontsika vokatra haingana sy mahafa-po amin’ny sehatra fambolen-kazo dia manentana hatrany ny Tetikasa ny hanarahana ny tekinika mifandraika amin’izany toy ny fanaovana lavaka 40cm x 40cm x 40cm, ny fanajàna ny elanelana 3m isakin’ny zanakazo miendrika diam-panorona, ny fampiasàna zezika sahabo ho 120grs atao 10cm miodidina ny zanakazo ary ny fanadiovana ny 1m manodidina azy ireo.
Fanampin’izany, aza adino mandrakariva ny fanaovana ny aroafo hisorohana ny doro-tanety mety hanimba ny voly natao.

