Ny fandaharanasa AFAFI-Nord dia hamelona indray ny toby fanjarian-tsakafo ifotony miisa 22 ho fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo eto amin’ny Faritra DIANA

Ao anatin’ny « Programme d’Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives (AFAFI-Nord) » izay mikendry indrindra ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo ary ny fahafahan’ireo tokantrano marefo miatrika izany sehatra izany ao DIANA, dia misy ny hetsika entina hisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo eo amin’ny zaza latsaky ny 5 taona, ireo tovovavy miditra amin’ny taona hahafahany miteraka, ny bevohoka ary/na mampinono.
Mba hahafahan’ny Ofisim-paritry ny sakafo (ORN DIANA) hanatontosa ireo asa ireo dia nisy ny « Cadre d’Obligations Mutuelles (COM) » izay natao sonia tamin’ny 04 febroary 2022 teo amin’ny URGP DIANA sy ny ORN DIANA.
Ny « Fiches-Action » voalohany ao anatin’izany, izay natao sonia niaraka tamin’ny COM, dia mikendry ny famelomana indray ireo toby fanjarian-tsakafo ifotony (CNC) » miisa 22 izay miparitaka amin’ny kaominina 6 : Ambilobe, Beramanja, Antsohimbondrona, Mantaly, Ambodibonara et Antsaravibe.
Amin’ny ankapobeny, tafiditra ao anatin’izany ny fanairana ny sain’ny tompon’andraikitra eny an-toerana, ny fanaraha-maso ny fifidianana ireo mpanentana ara-tsakafo (ACN) », ny fanatanterahana ny tombana amin’ireo toby fanjarian-tsakafo ifotony misy, ny fanamafisana ny traikefan’ireo ACN ary ny fampitaovana ny toby.
Raha tsiahivina dia mifantoka amin’ny Distrikan’Ambilobe ny faritra iasan’ny fandaharan’asa AFAFI-Nord any amin’ny faritra DIANA, ao anatin’izany ny kaominina Ambilobe, Beramanja, Ambodibonara, Antsohimbondrona, Ampondralava, Mantaly, Anjiabe Haut, Antsaravibe, Tanambao Marivorahona, Ambatoben’Anjavy, Manambato, Ambakirano ary Antanabe.
𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐍𝐨𝐫𝐝 𝐩𝐫𝐞́𝐯𝐨𝐢𝐭 𝐥𝐚 𝐫𝐞𝐝𝐲𝐧𝐚𝐦𝐢𝐬𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝟐𝟐 𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞𝐬 𝐝𝐞 𝐍𝐮𝐭𝐫𝐢𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐂𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐚𝐮𝐭𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐚 𝐩𝐫𝐞́𝐯𝐞𝐧𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐧𝐮𝐭𝐫𝐢𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐚𝐧𝐬 𝐥𝐚 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀
Dans le cadre du « Programme d’Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives (AFAFI-Nord) » qui vise notamment l’amélioration de la sécurité alimentaire et nutritionnelle et de la résilience des ménages vulnérables dans la DIANA, des actions de prévention de la malnutrition chez les enfants de moins de 5 ans et les femmes en âge de procréer, enceintes et/ou allaitantes ont été prévues.
Afin de permettre à l’Office Régional de Nutrition (ORN DIANA) de mener à bien ces activités, un Cadre d’Obligations Mutuelles (COM) a été signé le 04 février 2022 entre l’Unité Régionale de Gestion du Programme (URGP DIANA) et l’ORN DIANA, à travers lequel plusieurs Fiches-Action seront mises en œuvre.
La première de ces Fiches-Action, signée en même temps que le COM, prévoit la redynamisation de 22 Centres de Nutrition Communautaires (CNC) répartis sur six communes (Ambilobe, Beramanja, Antsohimbondrona, Mantaly, Ambodibonara et Antsaravibe).
Il s’agira plus précisément de sensibiliser les autorités locales, d’encadrer les élections des Agents Communautaires de Nutrition (ACN), de réaliser l’état des lieux des Centres de Nutrition Communautaires identifiés, de remettre à niveau les ACN et de fournir les équipements.
Pour rappel, les zones d’intervention du programme AFAFI-Nord dans la région DIANA sont concentrées sur le District d’Ambilobe et plus exactement sur les communes d’Ambilobe, Beramanja, Ambodibonara, Antsohimbondrona, Ampondralava, Mantaly, Anjiabe Haut, Antsaravibe, Tanambao Marivorahona, Ambatoben’Anjavy, Manambato, Ambakirano et Antanabe.

