Nidina ifotony ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola hahafahana mihaino mivantana ireo mpamokatra mba hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo

Nitsidika ireo mpamokatra izay mahazo tantsoroka avy amin’ny Fert sy ny vondrona Fifata amin’ny alalan’ny tetikasa Ambioka ny sampana misahana ny fampandrosoana ny ambanivohitra, ny fandrindrana ny faritra, ny fanjarian-tsakafo, ny tontolo iainana ary ny vonjy taitra eo anivon’ny delegasion’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara sy ny ekipan’ny sampana mpandrindra ny fandaharanasa AFAFI-Centre ny 24 novambra 2021.
Kaominina ambanivohitra efatra (4) manodidina ny renivohitr’Alakamisy Fenoarivo – Fiadanana – Ambohitrimanjaka ary Iarinarivo no nanaovana ny fitsidihana. Fikambanan’ny tantsaha efatra misahana lohahevitra samihafa no voatsidika :
- Ny fikambanana Mitsinjo ao Alakamisy fenoarivo momba ny varotra ny vokatra agroécolojika sy ny akoho gasy;
- OP Fivoarana ao Fiadanana amin’ny seha-pihariana voasary sy ny fahazoana rano;
- OP Fivoy eny Ambohitrimanjaka momba ny sehatry ny akoho gasy sy ny Gvec na Tahiry iombonana sy ifampisamborana;
- Ny PO Taombitsika vavy ao Iarinarivo momba ny sehatry ny akoho gasy sy ny Gvec.
Tsy nisalasala ireo mpamokatra nizara ny fanatsarana mivaingana hazony sy hitany nandritra ny enim-bolana izay nanohanan’ny mpanolotsaina momba ny fambolena azy ireo teny an-toerana.
Nitodika manokana tamin’ny fahasahiranana atrehin’ny mpamokatra mandritra ny vanim-potoanan’ny maintany (ny fomba iatrehany ny fiandohan’ny taom-pianarana, ny paikady momba ny sakafo, sns.); ny fahazoana rano ho an’ny asa fambolena sy ny fivarotana ny vokatra ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo fianakaviana mpamboly no anton’ny tantsoroka. Natolotra tamin’izany ny soso-kevitra ahafahan’ny vondrona Fifata miditra an-tsehatra sy ny tokony hisian’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiantsehatra hafa mba hanatsarana ny zava-misy hatrehan’ireo mpamokatra.
𝐋𝐞𝐬 𝐩𝐚𝐫𝐭𝐞𝐧𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐭𝐞𝐜𝐡𝐧𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐞𝐭 𝐟𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫𝐬 𝐚̀ 𝐥’𝐞́𝐜𝐨𝐮𝐭𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐩𝐫𝐨𝐝𝐮𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐮𝐧𝐞 𝐚𝐦𝐞́𝐥𝐢𝐨𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐜𝐨𝐧𝐝𝐢𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐝𝐞 𝐯𝐢𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐞𝐱𝐩𝐥𝐨𝐢𝐭𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐚𝐠𝐫𝐢𝐜𝐨𝐥𝐞𝐬 𝐟𝐚𝐦𝐢𝐥𝐢𝐚𝐥𝐞𝐬
La section développement rural, aménagement du territoire, sécurité alimentaire, environnement et aide d’urgence de la délégation de l’Union Européenne à Madagascar et l’équipe de l’unité de coordination du programme Afafi centre ont visité le 24 novembre 2021 les producteurs accompagnés par Fert et le groupe Fifata dans le cadre du projet Ambioka.
La visite a eu lieu dans quatre communes rurales dans la périphérie de la capitale, Alakamisy fenoarivo – Fiadanana – Ambohitrimanjaka et Iarinarivo. Quatre Organisations Paysannes ont été visitées autour de différentes thématiques:
- L’union Mitsinjo à Alakamisy fenoarivo sur la commercialisation des produits agroécologiques et le poulet gasy ;
- L’OP Fivoarana à Fiadanana sur la filière agrume et l’accès à l’eau ;
- L’OP Fivoy à Ambohitrimanjaka sur la filière poulet gasy et le Gvec ;
- L’OP féminine Taombitsika à Iarinarivo sur la filière poulet gasy et le Gvec.
Les producteurs n’ont pas hésité à partager les améliorations concrètes qu’ils ont observées pendant les six mois d’accompagnement par le conseiller agricole de proximité.
En plus des échanges thématiques, les difficultés des producteurs pendant les périodes de soudures (comment ils font face à la rentrée scolaire, les stratégies sur la nutrition …); l’accès à l’eau pour les activités agricoles et la commercialisation des produits ont été considérés pendant les visites.
L’amélioration des conditions de vie des exploitations agricoles familiales est la finalité des accompagnements. Quelques pistes de proposition sur lesquelles le groupe Fifata peut intervenir et d’autres points nécessitant de synergie avec d’autres acteurs pour améliorer la situation des producteurs ont été proposées.

