Nanokaa lalana ho an’ny tetikasa AMPIANA 2 ny fandraisan’anjara tamin’ny “foire des produits halieutiques”

Notanterahina ny 29, 30 ary 31 oktobra lasa teo, tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny « foire des produits halieutiques » izay nokarakarain’ny Minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB). Ity hetsika ity dia nampivondrona ireo mpandray anjara fototra amin’ny sehatry ny jono. Tanjona ny fampahafantarana ireo mpisehatra avy amin’ny sehatra ny jono, na ireo manjono amin’ny ny ranomamy izany na ho an’ireo manjono amin’ny ranomasina, ary koa ny fampahafantarana ireo vokatra rehetra misy eto Madagasikara. Nanararaotra nampiranty sy nivarotra ny trondrony ireo mpiompy trondro.

Nandray anjara tamin’ity hetsika ity ny tetikasa AMPIANA 2, izay tanterahina ao anatin’ny fandaharanasa AFAFI-Centre izay vatsian’ny Vondrona Eoropeana, ary tontosain’ny ONG APDRA Pisciculture Paysanne eto Madagasikara miaraka amin’ny CIRAD sy FOFIFA.

Fotoana nanehoana ny hetsika sy ny tanjon’ny APDRA sy ny tetikasa AMPIANA 2 tamin’Andriamatoa MAHATANTE Paubert, Minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, ny tale jeneralin’ny Minisitera ary ny solombavambahoakan’i Madagasikara ny foara.

Nanokatra ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo ekipan’ny tetikasa ny Minisitra, notronin’ireo mpiompy trondro. Nanararaotra izany ny ekipan’ny APDRA naneho ny fiaraha-miasan’ny telo tonta miaraka amin’ny sampan-draharaham-paritry ny jono sy ny fiompiana trondro ary ny mpiompy trondro, ary koa ireo sakana isan-karazany mianjady amin’ny mpiompy trondro sy izay ahafahan’ny MPEB manome fanohanana.

Nohamafisin’Atoa Ministra ny maha zava-dehibe ny fiompiana trondro an-tanimbary raha ny tanjona izay napetraky ny Fanjakana. Hahatratra zana-trondro 600 tapitrisa hotehirizina mba hampitomboana ny vokatra trondro sy ny fanjarian-tsakafon’ny mponina. Ho setrin’izany dia naneho ny fahavononany hiara-hiasa amin’ireo mpisehatra rehetra miaraka amin’ny MPEB ny ekipan’ny APDRA.

Ny fandraisan’ny AMPIANA 2 anjara tamin’io foara io no nahafantaran’ny besinimaro ny fiompiana trondro any amin’ny faritra Analamanga sy Itasy. Fotoana nahafahana nifandray tamin’ireo mety hahazo tombony mivantana amin’izany ihany koa ity foara ity taorian’ny famelabelarana ny hetsika hatao sy ny dingana arahina.

𝐏𝐚𝐫𝐭𝐢𝐜𝐢𝐩𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐚̀ 𝐥𝐚 𝐅𝐨𝐢𝐫𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐩𝐫𝐨𝐝𝐮𝐢𝐭𝐬 𝐡𝐚𝐥𝐢𝐞𝐮𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬, 𝐨𝐩𝐩𝐨𝐫𝐭𝐮𝐧𝐢𝐭𝐞́ 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐍𝐀 𝟐

La Foire des Produits Halieutiques organisée par le Ministère de la Pêche et de l’Economie Bleue (MPEB) s’est tenue les 29, 30 et 31 octobre 2021 au Palais des Sports Mahamasina. Cet événement a réuni les principaux acteurs de la filière. Le but était de présenter ces derniers issus du secteur halieutique, d’eau douce et d’eau de mer et de faire connaître les productions existantes à Madagascar. Les pisciculteurs ont profité de l’occasion pour exposer et vendre leurs poissons.

Le projet AMPIANA 2, mis en œuvre dans le cadre du Programme AFAFI-Centre, financé par l’Union Européenne et mis en œuvre par l’ONG APDRA Pisciculture Paysanne à Madagascar en partenariat avec le CIRAD et le FOFIFA, y a participé avec les autres projets de l’APDRA.

La foire a été l’occasion de présenter les activités et les objectifs de l’APDRA et du projet AMPIANA 2 à Monsieur MAHATANTE Paubert, Ministre de la Pêche et de l’Economie Bleue, aux directeurs généraux du ministère ainsi qu’aux députés de la République de Madagascar qui ont honoré la foire de leur présence.

Monsieur le Ministre a ouvert les échanges avec les équipes des projets, accompagnés de pisciculteurs. L’équipe de l’APDRA a saisi cette opportunité pour lui présenter la collaboration tripartite entre l’APDRA, les Services Régionaux des Pêches et de l’Aquaculture et les pisciculteurs ainsi que les diverses contraintes auxquelles les pisciculteurs sont confrontés et où le MPEB pourrait apporter un appui.

Le Ministre a confirmé l’importance qu’il accorde à la rizipisciculture face à l’objectif de l’Etat d’atteindre les 600 millions d’alevins à empoissonner pour augmenter la production halieutique et la sécurité alimentaire et nutritionnelle de la population. En retour, l’équipe de l’APDRA a exprimé toute sa volonté de travailler en complémentarité avec l’ensemble des acteurs de la filière aux côtés du MPEB.

La participation d’AMPIANA 2 à la foire a permis au grand public de découvrir et de se sensibiliser à la rizipisciculture paysanne dans les régions d’Analamanga et d’Itasy. L’équipe du projet a pu également prendre contact avec de potentiels bénéficiaires après la présentation des activités à entreprendre et des démarches à suivre.