Mizotra mankany amin’ny fametrahana ny lamina miantoka ny kalitaom-bokatra agroekolojika (SPG) eto Analamanga

Ny vondrona Fifata eto Analamanga sy ny Fert dia efa nizotra amin’ny fametrahana ny lamina ara-kalitao tamin’ny taona 2018 hahafahan’ireo mpamokatra manatsara ny vokatra sy manome vokatra ara-kalitao eo amin’ny tsena.

Ity lamina ity, izay antsoina hoe SPG agroekolojia, dia miainga amin’ny fametrahana sy fanajana ny bokin’andraikitra ahafahana mametraka ny fanaraha-maso, mba hanatsarana ny tsenam-bokatra sy manome tombony ho an’ny rehetra (ny mpamokatra, ny mpihinana ary ny tontolo iainana).

Ny volana desambra lasa teo, dia nandalo nitsidika ny vondrona Fifata sy ny Fert ry zareo ao amin’ny IFOAM sy ny SYMABIO sy ireo mpiara-miasa aminy. Ity fitsidihana ity dia miara-dalana amin’ny fametrahana ny lalana vaovao mahakasika ny famokarana biolojika, ny rindran-damina miantoka ny kalitaom-bokatra sy ny TVAB (na ireo toerana voasokajy ho famokarana ara-biolojika). Misitraka ny tombony manokana amin’izao fandalovana izao ny tetikasa Ambioka ao anatin’ny fandaharan’asa Afafi Centre amin’ny fanohizana ny ezaka amin’ny fametrahana ny lamina miantoka ny kalitaom-bokatra.

Nanamafy moa ry zareo avy ao amin’ny IFOAM sy ny SYMABIO fa efa mizotra tsara mankany amin’ny lalana tokony ho izy ny vondrona Fifata ary efa tazana fa misy fototra efa mafy orina eny anivon’ny mpamokatra. Nisy ihany koa ny fifampizarana ireo traik’efa sy fanampim-pahalalana nandritry ny fotoana nifampiresahana.

Hisy noho izany ny ezaka hataon’ny Fert sy ny groupe Fifata amin’ny alalan’ny tetikasa Ambioka mba hanamafisana sy hanohizana ny ezaka amin’ny fametrahana ity lamina miantoka ny kalitaom-bokatra ity mba hanatsarana ny famarotana ireo vokatra agroekolojia mitsinjo ny tontolo iainana sy ny fahasalaman’ny mpihinana.

𝐕𝐞𝐫𝐬 𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐞 𝐞𝐧 𝐩𝐥𝐚𝐜𝐞 𝐝’𝐮𝐧 𝐬𝐲𝐬𝐭𝐞̀𝐦𝐞 𝐩𝐚𝐫𝐭𝐢𝐜𝐢𝐩𝐚𝐭𝐢𝐟 𝐝𝐞 𝐠𝐚𝐫𝐚𝐧𝐭𝐢𝐞 (𝐨𝐮 𝐒𝐏𝐆) 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐞𝐬 𝐩𝐫𝐨𝐝𝐮𝐢𝐭𝐬 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐢̂𝐜𝐡𝐞𝐫𝐬 𝐚𝐠𝐫𝐨𝐞́𝐜𝐨𝐥𝐨𝐠𝐢𝐪𝐮𝐞𝐬 𝐞𝐧 𝐀𝐧𝐚𝐥𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Le groupe Fifata en Analamanga et Fert accompagnent depuis 2018 une démarche de qualité visant à améliorer avec les paysans leurs pratiques de production et in-fine la qualité des légumes livrés sur le marché.

Cette démarche, appelée SPG Agroécologie (pour Système Participatif de Garantie), leur a permis de définir ensemble un cahier des charges et d’adopter une démarche d’apprentissage et de contrôle, qui devrait permettre d’accéder à de nouveaux marchés plus rémunérateurs en garantissant des méthodes de production respectueuses de l’environnement.

En décembre dernier, le groupe FIFATA et Fert ont eu l’opportunité de recevoir la visite sur le terrain de l’IFOAM (http://ifoam.bio/ ), en mission à Madagascar auprès du SYMABIO (http://www.symabio.mg) et de ses partenaires. Cette mission était aussi l’occasion d’aborder en séminaire les thématiques de la loi sur l’agriculture biologique, la mise en place des SPG Bio et le TVAB (Territoires Agricoles à Vocation Biologique). Ce passage a permis d’échanger sur la mise en place d’un SPG et les processus déjà entamés par le groupe Fifatadont le projet Ambioka dans le cadre du programme Afafi Centre va bénéficier.

Les experts de l’IFOAM et SYMABIO ont affirmé, au vu des étapes déjà franchies, que le groupe FIFATA est dans la bonne démarche et construit des bases solides par son ancrage local. Ils ont, en effet, partagé quelques éléments caractéristiques des SPG selon les expériences de l’IFOAM, dans lesquels Fifata se retrouve.

Fert et le groupe Fifata, dans le cadre du projet Ambioka, va concentrer ses efforts dans la mise en place du système SPG pour la vente et l’écoulement des produits agroécologiques « respectueux de l’environnement et la santé des consommateurs ». Les partenaires avancement progressivement sur ce chemin de construction avec les producteurs et avec les acheteurs.