Miroso amin’ny fanadihadiana ireo kaomina iantsorohany ireo mpitantsoroka ao anatin’ny Tetikasa TAFITA

Ao anatin’ny fandrosoan’ny asa iandraketan’ny tetikasa TAFITA, tetikasa iray ao anatin’ny fandaharanasa AFAFI-Centre, dia manatanteraka ny fanadihadiana ireo kaomina iasany izy ireo efa ho erinandro vitsivitsy izay.

Ireo mpitantsoroka na « Animateurs Communaux (AC)» no midina an-tsehatra mizaha akaiky sy mandalina ireo kaomina amin’ny alalan’ny fanadihadiana sy fanangonana antontan’isa sy antotam-baovao. Izany no atao mba handrindrana sy hitondrana fanampiana ary tantsoroka mifanaraka amin’izay ilain’ny kaomina tsirairay avy.

Mba hampahomby ny fizotran’ireo asa atao sy mba hahazoana vokatra tsara dia mahazo tohana avy amin’ny tompon’andraikitra ara-tekinika ary ny tompon’andraikitra amin’ny fanarahamaso sy tomban’ezaka ao amin’ny tetikasa ireo AC.