Miasa 50 avy amin’ny Faritra SAVA no nahazo Fiofanana momba ny “informatique bureautique” izay nojarakarain’ny AFAFI-Nord SAVA

Ao anatin’ny sehatry ny Fandaharanasa AFAFI-Nord izay mikendry manokana ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny fambolena any amin’ny faritra SAVA, DIANA ary Analanjirofo, dia misy ny hetsika atao hanamafy ny fahaiza-manao an’ireo faritra, ireo Kaomina ary ireo sampan-draharaha teknika itsinjaram-pahefana mba hahafahan’izy ireo manatanteraka tsara ny asa ho an’ny tombotsoan’ireo vahoaka mpisitraka izany.
Mba hahatratrarana izany tanjona izany dia mpiasa 50 avy amin’ny Faritra SAVA, avy amin’ny kaomina 6 (Daraina, Nosibe, Ampondra, Farahalana, Ampohibe, Ambohitralanana) ary avy amin’ny foibem-pitantanana eo anivon’ny faritra 4 (DRAEP, DREDD, DREAH, ORN) no nahazo fiofanana mandritra ny 5 andro amin’ny resaka fikirakirana solosaina « bureautique » izay nokarakarain’ny AFAFI-Nord SAVA tao amin’ny Centre Régional de l’Institut National de Formation Pédagogique ao Sambava. Io fiofanana io dia hahafahan’izy ireo manatanteraka amin’ny fomba mahomby kokoa ny asa fanaraha-maso ny fanatanterahana ny fandaharanasa AFAFI-Nord.
𝟓𝟎 𝐚𝐠𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧 𝐒𝐀𝐕𝐀 𝐨𝐧𝐭 𝐛𝐞́𝐧𝐞́𝐟𝐢𝐜𝐢𝐞́ 𝐝’𝐮𝐧𝐞 𝐟𝐨𝐫𝐦𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐞𝐧 𝐛𝐮𝐫𝐞𝐚𝐮𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐨𝐫𝐠𝐚𝐧𝐢𝐬𝐞́𝐞 𝐩𝐚𝐫 𝐥𝐞 𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐍𝐨𝐫𝐝 𝐒𝐀𝐕𝐀
Dans le cadre du « Programme d’Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives (AFAFI-Nord) » qui vise notamment l’amélioration de la gouvernance du secteur agricole dans les régions SAVA, DIANA et Analanjirofo, des actions ont été prévues pour renforcer les capacités des régions, communes et services techniques déconcentrés afin qu’ils puissent mieux assumer leurs missions au bénéfice des populations cibles.
Afin d’atteindre cet objectif, 50 agents de la Région SAVA, des 6 Communes cibles (Daraina, Nosibe, Ampondra, Farahalana, Ampohibe, Ambohitralanana) et des 4 directions régionales partenaires (DRAEP, DREDD, DREAH, ORN) ont bénéficié d’une formation de 5 jours en bureautique organisée par le Programme AFAFI-Nord SAVA au Centre Régional de l’Institut National de Formation Pédagogique de Sambava. Cette formation leur permettra de mener plus efficacement les activités de suivi de la mise en œuvre du programme AFAFI-Nord.


