Tetikasa Diabe izay tohanan’ny vondrona Eropeana vola

Anisan’ireo mamporisika tanteraka ny amin’ny fambolen-kazo sy ny fiarovana ny tontolo iainanan ny đ“đžđ­đąđ€đšđŹđš 𝐃𝐈𝐀𝐁𝐄 𝐱𝐳𝐚đČ 𝐭𝐹𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧’𝐧đČ đŻđšđ§đđ«đšđ§đš đ„đ«đšđ©đžđšđ§đš đŻđšđ„đš, ny antony dia azahoana tombotsoa maro tokoa ny fanaovana izany :

  • Manatsara ny tontolo iainana
  • Misintona ny orana
  • Azo kajiana mialoha ny vola aterakin’ny fitrandrahana ireo hazo ambolena
  • Mahatsara sy miaro ny tany
  • Manampy ny mpiara-belona

Misy hatrany anefa ny fepetra tsy maintsy raisina rehefa manao izany fambolen-kazo izany toy ny fanaovana đ€đ«đšđšđŸđš 𝟐𝐩 đ€đš đĄđšđ­đ«đšđŠđąđ§’𝐧đČ 𝟔𝐩 𝐩𝐱𝐹𝐝𝐱𝐝𝐱𝐧𝐚 𝐧đČ đ­đšđ§đąđ§đ€đšđłđš mba hisorohana ny doro-tanety indrindra amin’izao vanim-potoana izao.