Projet DIABE – Randriambinitsoa Emmanuel chef CIREF Moramanga
Androany isika dia hiaraka amin’ny Randriambinintsoa Emmanuel izay chef CIREF eto Moramanga ary tetezana iray mampitoy ny administration forestière amin’ny Tetikasa DIABE.
Ilazalaza amintsika izy ny momban’ny teboka 4 izay anjara asan’ny CIREF ao anatin’ny Tetikasa DIABE :
– Fanofanana sy fivoriana izay andraisan’izy ireo anjara mavitrika amin’ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny fitrandrahana ny ala izay ataon’ireo agent.
– Fandraisana andraikitra momban’ny fametrahana ny”plateforme bois-energie” mifandray amin’ny lalàna mifehy ny fitrandrahana ny ala hatrany.
– Fanomezana ireo “Certificat” ho an’ireo mpiofana amin’ny Arina TAC izay tena manan-danja tokoa eo imason’ny lalàna.
– Ny fanaraha maso ny momban’ny fizarana ny zanakazo, ary ny fandraisana anjara amin’ny fanentanana mikasika ny fambolenkazo sy ny fametrahana ny aroafo.