Lanonana famindran-draharaha teo amin’ny Tale ny BACE vaovao sy ny Tale teo aloha

Antananarivo faha 17 septambra 2021.

Tao aorian’ny nahavoatendry azy tao anatin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny 15 septambra 2021 lasa teo dia notanterahina androany zoma faha-17 septambra 2021 ny fifamindram-draharaha teo amin’ny Tale teo aloha, Atoa RAKOTOMAHEFA Bruno Maurille sy ny Tale vaovao, Atoa RAJOELINA Hery Mandimby.

Nandritra izany dia nisaotra ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitondrana ny Tale teo aloha ny amin’ny fahatokisana napetrak’izy ireo taminy nandritra ny dimy taona mahery izay nitantanany teo anivon’ity birao ity. Nirary fahombiazana kosa izy ho an’ny mpiara-miasa rehetra, ho an’ny asa rehetra mbola ho avy. Namaranany azy ny fiararian-tsoa ho an’ny Tale vaovao.

Ny Tale voatendry kosa dia nanambara ny fahafantarany ny asa mavesatra izay miandry azy, ny fanamby goavana atolotry ity asa vaovao ity. Mampanantena izy fa hanao izay rehetra azo atao mba hahatratrarana ny tanjona napetraka. Araka izany dia naneho ny fahavononany ny hanatanteraka izany ao anatin’ny fahintsiana sy ny fahaiza-manao ny tenany.

Ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, izay nanatrika ihany koa ity fotoana ity, dia nankasitraka ary nisaotra ny Tale teo aloha tamin’ireo asa rehetra vitany ary nanambara ny fikasany hanatanteraka fanavaozana eo anivon’ity birao ity amin’ny alalan’ny Tale vaovao sy ireo mpiara-miasa rehetra.

***************************

Antananarivo le 17 septembre 2021.

Nommé en conseil des ministres le 15 septembre 2021, Monsieur RAJOELINA Hery Mandimby, occupe désormais la fonction de Directeur du Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure. Il succède ainsi à Monsieur RAKOTOMAHEFA Bruno Maurille.

La passation de service entre le Directeur sortant et le Directeur entrant s’est tenue aujourd’hui 17 septembre 2021 dans les locaux du Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure à Antsahavola.

M. RAKOTOMAHEFA Bruno Maurille a tenu à remercier les responsables au sein du Gouvernement pour la confiance qu’ils lui ont accordée durant ces plus de cinq (5) années à ce poste. De même, il a adressé ses remerciements et ses vœux de réussite à tous ses collègues pour les activités à venir au sein de cette Direction. Il a, par la suite, félicité le Directeur entrant pour sa nomination et lui a souhaité plein succès.

De son côté, le Directeur entrant a fait part de ses remerciements et de sa reconnaissance. S’étant dit conscient de la lourdeur de la tâche et des énormes défis que représente cette nouvelle fonction, il a promis de faire tout son possible pour se montrer à la hauteur de la tâche.

Le Secrétaire Général au niveau du Ministère de l’Economie et des Finances, également présent à la cérémonie de passation, a quant à lui remercié le Directeur sortant pour tout le travail accompli et a exprimé son intention de mener des réformes au niveau de la direction à travers le nouveau Directeur et tout le personnel.