Foara ny hoditra : Hetsika fampiroboroboana ny hoditra vita malagasy

Ny andiany voalohany amin’ny “Foara ny hoditra” mitondra ny anarana “AKORA GASIK’ARA” miaraka amin’ny tetikasa ” Mécanisme d’Appui à l’intégration régionale » na FAC/MAIR izay an’ny Marché Commun de l’Afrique orientale et australe (COMESA), dia tanterahina eo amin’ny zaridaina an’Antaninarenina ny 07, 08 ary 09 oktobra 2021.
Ity hetsika fampiroboroboana ny sehatry ny hoditra malagasy, vatsian’ny Vondrona Eoropeana amin’ny alàlan’ny « Fonds Européen de Développement (FED) » faha-10 dia tohanan’ny Ministeran’ny asa-tanana sy ny varotra.
Ny lohahevitra vohizina amin’ity andiany voalohany ity dia « CUIR ET DESIGN ».
Ny tanjon’ity hetsika ara-toekarena sy ara-barotra ity dia ny fandraisana anjara amin’ny fampiroboroboana ny vokatra eo amin’ny sehatry ny hoditra, avy amin’ny faritra izay mamokatra hoditra, amin’ny alàlan’ny fampisehoana ny kalitaony sy ny mombamomba azy ireo tsirairay avy mba hiantohana ny fitadiavam-bola takian’izy ireo, indrindra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho fanampin’izay, hanohana ireo mpamokatra izy io ary hanome fahafaha-miasa amin’ny sehatra nasionaly sy iraisam-pirenena.
« 𝐅𝐨𝐢𝐫𝐞 𝐝𝐮 𝐜𝐮𝐢𝐫 » : 𝐩𝐫𝐨𝐦𝐨𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐜𝐮𝐢𝐫 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲
La première édition de la « Foire du Cuir » sous la dénomination « AKORA GASIK’ARA » en partenariat avec le projet « Mécanisme d’Appui à l’intégration régionale » ou FAC/MAIR du Marché Commun de l’Afrique orientale et australe (COMESA), a lieu au jardin d’Antaninarenina les 07, 08 et 09 octobre 2021.
Cet événement portant promotion et développement du secteur du Cuir Malagasy, financé par l’Union Européenne (UE) à travers le 10ème Fonds Européen de Développement (FED), est parrainé par le Ministère de l’Artisanat et des Métiers. Le thème de cette première édition porte sur le « CUIR ET DESIGN ».
Cette manifestation économique et commerciale vise à contribuer à la valorisation des produits du secteur du Cuir, provenant des régions productrices des peaux et cuirs, en démontrant leur qualité et leurs particularités respectives en vue d’assurer leur traçabilité de plus en plus exigée, notamment au niveau international. Par ailleurs, elle permettra d’accompagner les producteurs et d’offrir des opportunités d’affaires aux niveaux national et international.



