Fivoriana voalohany nataon’ny Komity mpanara-maso (CSO) ao amin’ny Unité Régionale de Gestion du programme (URGP) an’ny fandaharanasa AFAFI-Nord any amin’ny faritra DIANA

Tontosa ny 02 desambra 2021 lasa teo tany Antsiranana ny fivoriana voalohany nataon’ny Komity mpanara-maso (CSO) ao amin’ny Unité Régionale de Gestion du Programme (URGP) AFAFI-Nord any amin’ny faritra DIANA.

Amin’izao fotoana izao dia efa ao anatin’ny dingana fanatanterahana tanteraka ny asa ny fandaharanasa AFAFI-Nord. Ny mpandray anjara fototra amin’izany dia efa mipetraka : ny GIZ mpiara-miombon’antoka amin’ny fampandrosoana ny rojom-bidin’ny fambolena sy ny ala, ny CGC sy ny BRL amin’ny fanarenana ny « périmètre Basse Mahavavy », ny URGP ho an’ny « devis-programme » an’ny fandaharanasa, ny CTHT ho fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika sy fandaminana ny mpisehatra amin’ny sehatry ny fambolena any amin’ireo faritra voarakotry ny Programa AFAFl-Nord ary tsy ho ela ny « opérateurs des contrats de subvention ».

Tanjona tamin’ity fotoam-pivoriana ity ny fanolorana ny fandaharanasa ahitana ny asa rehetra vita sy ireo hotanterahina any amin’ny faritra DIANA izay ataon’ny AFAFI-Nord, indrindra indrindra: ireo zava-bita lehibe nataon’ny BRL, GIZ, CTHT ary URGP, ny fanatanterahana ny Fandaharanasa amin’ny alalan’ny rafitry ny adidy iombonana, ny drafitry ny asa isan-telovolana ataon’ireo Sampana Teknika voakasika.

Lehibe ny vina amin’ny alalan’ny fandaharanasa AFAFI-Nord : fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena lovain-jafy sy iraisan’ny rehetra ary mahomby any amin’ny Faritra avaratr’i Madagasikara.

Nanome voninahitra ny fihaonana ny Governoran’ny Faritra DIANA, Atoa DAODO Arona Marisiky, amin’ny maha filohan’ny komity mpanara-maso ny fampandehanan-draharaha azy, ny Talen’ny BACE, Atoa RAJOELINA Hery Mandimby, lefitry ny « Ordonnateur National » ny FED eto Madagasikara, ny solontenan’ny delegasion’ny Vondrona eoropeana eto Madagasikara, ny sampana teknika rehetra (DRAE, DRPEB, DREDD, DREAH ary ORN) ary ireo mpikambana rehetra ao amin’ny CSO.

𝟏𝐞̀𝐫𝐞 𝐬𝐞𝐬𝐬𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐂𝐨𝐦𝐢𝐭𝐞́ 𝐃𝐞 𝐒𝐮𝐢𝐯𝐢 𝐎𝐩𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥 (𝐂𝐒𝐎) 𝐝𝐞 𝐥’𝐔𝐧𝐢𝐭𝐞́ 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 (𝐔𝐑𝐆𝐏) 𝐝𝐮 𝐩𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐍𝐨𝐫𝐝 𝐝𝐚𝐧𝐬 𝐥𝐚 𝐫𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧 𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀

La 1ère session du Comité De Suivi Opérationnel (CSO) de l’Unité Régionale de Gestion du Programme (URGP) du programme AFAFI-Nord dans la région DIANA s’est tenue le 02 Décembre 2021 à Antsiranana.

Actuellement, le programme AFAFI-Nord est dans sa phase de croisière. Les acteurs du programme sont déjà mis en place notamment : le partenaire GIZ pour le développement des chaînes de valeur agricoles et forestières, CGC et BRL pour la remise en état du périmètre de la Basse Mahavavy, l’URGP pour le devis-programme, le CTHT pour le renforcement de la capacité technique et organisationnelle des acteurs de la chaîne de valeur des filières horticoles des régions couvertes par le Programme AFAFl-Nord et prochainement les opérateurs des contrats de subvention.

Cette session a pour objectif de présenter le programme incluant toutes les activités réalisées et à réaliser dans la région DIANA par AFAFI-Nord, notamment : les grandes réalisations du programme AFAFI-Nord par BRL, GIZ, CTHT et URGP, les outils de mise en œuvre du Programme (le cadre d’obligation mutuelle et les fiches actions permettant de contribuer financièrement aux activités des acteurs), les plans de travail trimestriel des Directions Techniques Concernées.

L’ambition à travers le programme AFAFI-Nord est grande : promouvoir un secteur agricole durable, inclusif et performant dans le Nord de Madagascar.

Le Gouverneur de la Région DIANA, Monsieur DAODO Arona Marisiky, en sa qualité de président du comité de suivi opérationnel, le Directeur du BACE, Monsieur RAJOELINA Hery Mandimby, Ordonnateur National Délégué Suppléant du Fonds Européen de Développement (FED) à Madagascar, le représentant de la délégation de l’Union européenne à Madagascar, toutes les Directions Techniques (DRAE, DRPEB, DREDD, DREAH et ORN) ainsi que tous les membres du CSO ont honoré de leur présence la réunion.