Fivoriana Faharoa an’ny Komity mpanara-maso ny programa AFAFI-Sud

Notanterahina ny 21 aprily 2021, tao Fort Dauphin, ny fivoriana faharoa an’ny Komity mpanara-maso ny programa AFAFI-Sud.

Nandritra io fotoam-pivoriana io, ny mpikambana ao amin’ny CSO dia nanaiky ny sangan’asan’ny « Micro Périmètres Irrigués » miisa 29 manarona 928ha, ary ny amin’ny fananganana « Points d’eau » miisa 146 . Ny CSO ihany koa dia nanome baiko an’ny UCS mba hanao fandalinana miisa 30 amin’ny fananganana na fanarenana MPI (2900ha) fanampiny.

Raha tsiahivina, ny AFAFI-Sud izay vatsian’ny Vondrona eropeana, dia mikendry ny handray anjara amin’ny fampihenana ny fahantrana amin’ireo mponina ambanivohitra any atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara.

Nanatrika izany fivoriana izany ny governoran’ny faritra Anosy, Jerry HATREFINDRAZA, ny governoran’ny faritra Atsimo-Atsinanana, Dr MAHAFAKY Justin, ny solontenan’ny governoran’ny faritra Androy, ny Delegasion’ny Vondrona eropeana eto Madagasikara, ny Tranoben’ny Tantsaha, ny talem-paritry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono (DRAEP), ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (DREDD), ny talem-paritry ny “Eau, Assainissement et de l’Hygiène” ( DREAH), ONG mpiara-miombon’antoka ary ny “Unité de Coordination et de Suivi (UCS)” amin’ny programa AFAFI-Sud.

𝐃𝐞𝐮𝐱𝐢𝐞̀𝐦𝐞 𝐫𝐞́𝐮𝐧𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐂𝐨𝐦𝐢𝐭𝐞́ 𝐝𝐞 𝐒𝐮𝐢𝐯𝐢 𝐎𝐩𝐞́𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐧𝐞𝐥 𝐝𝐮 𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐒𝐮𝐝

La deuxième réunion du Comité de Suivi Opérationnel du Programme AFAFI-Sud s’est tenue le 21 Avril 2021, à Fort Dauphin.

Lors de cette session, les membres du CSO ont approuvé les travaux de 29 Micro Périmètres Irrigués couvrant 928ha, et pour la réalisation de 146 Points d’eau. Par ailleurs, le CSO a donné mandat à l’UCS afin de conduire 30 nouvelles études de faisabilité pour la construction ou réhabilitation de MPI complémentaires (2900ha).

Pour rappel, le Programme AFAFI-Sud financé par l’Union Européenne vise à contribuer à la réduction de la pauvreté des populations rurales dans le Sud et Sud-Est de Madagascar.

Parmi les participants : le gouverneur de la région Anosy, Jerry HATREFINDRAZA, le gouverneur de la région Sud-Est, Docteur MAHAFAKY Justin, le représentant du gouverneur de la région Androy, la Délégation de l’Union Européenne à Madagascar (DUEM), le Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure, les Tranoben’ny Tantsaha, les Directeurs Régionaux de l’Agriculture, de l’Élevage et de la Pêche (DRAEP), les Directeurs Régionaux de l’Environnement et du Développement Durable (DREDD), les Directeurs Régionaux de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène ( DREAH), les ONG partenaires et l’Unité de Coordination et de Suivi (UCS) du Programme AFAFI-Sud.