Fitsidihin’ny Tetikasa TAFITA ara-pombam-panajana ny Goverinoran’ny Faritra Itasy
Nihaona tamin’ Andriamatoa Maherizo ANDRIAMANANA, Governoran’ny Faritra Itasy, Jeneralin’ny Sampana, ny solontenan’ny Tetikasa TAFITA izay notarihin’ny Talen’ny Tetikasa Jérôme RAOMBA sy ny mpitantana ny tetikasa Gaby Florent ROBERT niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny Serasera, androany teny amin’ny biraom-paritra Miarinarivo.
Fotoana iray nampahafantarana ny Tetikasa « Projet d’Appui à la Sécurisation Foncière » izay vatsian’ny Vondrona eoropeana vola, amin’ny alalan’ny Fandaharanasa AFAFI-Centre, izay hotanterahina mandritra ny efa-taona (2021-2025).
Ity fitsidihana ara-pomba- mpanajana ity dia nahafahana nifanakalo hevitra mikasika ny fiaraha-miasa sy ny mety andrasan’ny roa tonta amin’ny fanatanterahana ny Tetikasa.
Naneho fahavononana feno Atoa Governora hiara-hiasa amin’ny tetikasa TAFITA sy hanohana tanteraka amin’izay ilaina mba hahazoana vokatra tsara indrindra sy hahazoana antoka amin’ny fanatratrarana ny tanjona kendren’ny tetikasa, izay miompana amin’ny lohahevitra efatra, dia ny : fiarovana ny fananan-tany; ny famolavolana ny kisarim-panajariana kaominaly (SAC); ny fivohizana ny hetra ary ny fitondrana tsara tantana.
Ny fandrafetana ny fandaharanasa mahakasika ny fanentanana ho atao no ho lohahevitry ny fihaonana manaraka eo amin’ny Governoran’ny Faritra Itasy sy ny tetikasa TAFITA.
𝐕𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐝𝐞 𝐜𝐨𝐮𝐫𝐭𝐨𝐢𝐬𝐢𝐞 𝐚𝐮𝐩𝐫𝐞̀𝐬 𝐝𝐮 𝐆𝐨𝐮𝐯𝐞𝐫𝐧𝐞𝐮𝐫 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧 𝐈𝐭𝐚𝐬𝐲 𝐞𝐟𝐟𝐞𝐜𝐭𝐮𝐞́𝐞 𝐩𝐚𝐫 𝐥𝐞𝐬 𝐦𝐞𝐦𝐛𝐫𝐞𝐬 𝐝𝐮 𝐏𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀
Les représentants du Projet TAFITA, dirigés par le Directeur de Projet RAOMBA Jérôme, ainsi que le chef de projet Gaby Florent ROBERT, accompagné par la Responsable Communication, ont rencontré, ce jour au bureau de la Région Itasy à Miarinarivo, le Gouverneur de la région Itasy, Général de Division, Monsieur Maherizo ANDRIAMANANA.
Cette rencontre a été une occasion pour présenter le Projet d’Appui à la Sécurisation Foncière, financé par l’Union Européenne dans le cadre de l’AFAFI Centre, mis en œuvre pour une durée de quatre ans (2021- 2025).
Cette visite de courtoisie a permis de discuter de la collaboration et des attentes entre les deux parties dans le cadre de la mise en œuvre du Projet.
Monsieur le gouverneur a montré une ferme volonté de collaborer avec le projet TAFITA et d’apporter le soutien nécessaire afin d’obtenir les meilleurs résultats possible et de veiller à l’atteinte des objectifs visés par le projet concentrés sur quatre thématiques, à savoir : la sécurisation Foncière ; l’élaboration du schémas d’aménagement Communal (SAC) ; la relance de la fiscalité locale et la bonne gouvernance.
La planification des programmes de sensibilisation fera l’objet de la prochaine réunion de travail entre le Gouverneur de la Région Itasy, et le projet TAFITA.

