Fihaonana teo amin’ny lehiben’ny distrikan’Ankazobe sy ny ekipan’ny tetikasa TAFITA mba hisian’ny fiaraha-miasa milamina tsara eo amin’ny roa tonta

Nanatanteraka fihaonana tamin’ny lehiben’ny distrikan’Ankazobe tao amin’ny biraon’ny Distrikan’Ankazobe ny tetikasa TAFITA ny 21 septambra 2021. Fihaonana nahafahana nanolotra ny tetikasa izay miompana amin’ny tantsoroka amin’ny fiarovana ny zo fototra ho an’ny Fananantany, izay vatsian’ny Vondrona eoropeana vola ary miasa mandritry ny efatra taona (2021-2025) amin’ny alalan’ny Fandaharanasa AFAFI Centre.

Nitodika tamin’ny firesahana ireo fiaraha-misalahy sy fiaraha-miasa ho ataon’ny roa tonta ny fihaonana sy dinika izay natao.

Ny tohin’izao fihaonana izao moa dia ny fanomanana atrik’asa izay hiarahana amin’ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra eny an-toerana, izay fotoana ihany koa hampafantarana amin’ny fomba ofisialy ny fisian’ny tetikasa TAFITA ao an-toerana, ary indrindra ho fanamarihana ny fanombohan’ny asa izay ho atao eny anivon’ireo kaomina izay voakasika.

𝐑𝐞𝐧𝐜𝐨𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐥𝐞 𝐂𝐡𝐞𝐟 𝐝𝐞 𝐃𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐜𝐭 𝐝’𝐀𝐧𝐤𝐚𝐳𝐨𝐛𝐞 𝐞𝐭 𝐥’𝐞́𝐪𝐮𝐢𝐩𝐞 𝐝𝐮 𝐏𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀 𝐞𝐧 𝐯𝐮𝐞 𝐝’𝐮𝐧𝐞 𝐛𝐨𝐧𝐧𝐞 𝐩𝐥𝐚𝐧𝐢𝐟𝐢𝐜𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐜𝐨𝐥𝐥𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐥𝐞𝐬 𝐝𝐞𝐮𝐱 𝐩𝐚𝐫𝐭𝐢𝐞𝐬

Les responsables du Projet TAFITA, dirigés par le chef de projet Gaby Florent Robert, ont rencontré le chef de district d’Ankazobe, RAJOELINARIVO Tantelinirina Lala Jeremy, le 21 septembre 2021 à son bureau à Ankazobe . Cette rencontre a été en effet l’occasion de présenter ce Projet d’Appui à la Sécurisation Foncière mis en œuvre pendant quatre (4) ans (2021- 2025) et financé par l’Union Européenne dans le cadre du Programme AFAFI Centre.

Les discussions se sont orientées vers les futures collaborations entre le District d’Ankazobe et le projet TAFITA. La suite prévue de cette rencontre est alors l’organisation d’un atelier autour duquel tous les représentants des STD locaux ou Services territoriaux Décentralisés seront présents afin de présenter d’une manière officielle le projet, mais surtout pour marquer le début des activités dans toutes les communes d’intervention dans le District d’Ankazobe.