Fihaonana teo amin’ny lehiben’ny distrikan’Anjozorobe Atoa RAFIDISON Fidel sy ny ekipan’ny tetikasa TAFITA

Mitohy hatrany ny fitsidihan’ny tetikasa TAFITA am-panajana ireo lehiben’ny distrika, tetikasa izay vatsian’ny Vondrona Eropeana vola amin’ny alalan’ny fandaharanasa AFAFI Centre. Izany dia notarihin’ Andriamatoa Gaby Florent Robert, lehibe an’ny tetikasa. Notanterahina ny 22 septambra 2021 ny fihaonana tamin’Andriamatoa RAFIDISON Fidel lehiben’ny distrikan’Anjozorobe.
Ny tanjon’ny fihaonana dia ny fanolorana ny tetikasa. Fotoana mety tsara handaminana tsara kokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Amin’ny ankapobeny, ity tetikasa ity dia miompana amin’ny tantsoroka amin’ny fiarovana ny zo fototra ho an’ny Fananantany. Izany dia tanterahina manomboka amin’ity taona 2021 ka hatramin’ny taona 2025.
Ho tanterahina atoato ny fanomanana atrik’asa ao amin’ny distrikan’ny Anjozorobe izay iarahana amin’ireo tompon’andraikim-panjakana rehetra eny an-toerana, izay fotoana ihany koa entina hampafahantarana amin’ny fomba ofisialy ny fisian’ny tetikasa TAFITA ao an-toerana. Ary indrindra ho fanamarihana ny fanombohan’ny asa izay ho atao eny anivon’ireo kaominina izay voakasika.
𝐑𝐞𝐧𝐜𝐨𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐥𝐞 𝐜𝐡𝐞𝐟 𝐝𝐞 𝐝𝐢𝐬𝐭𝐫𝐢𝐜𝐭 𝐝’𝐀𝐧𝐣𝐨𝐳𝐨𝐫𝐨𝐛𝐞 𝐑𝐀𝐅𝐈𝐃𝐈𝐒𝐎𝐍 𝐅𝐢𝐝𝐞𝐥 𝐞𝐭 𝐥𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀
Les visites de courtoisie se poursuivent. Les responsables du Projet TAFITA, projet financé par l’Union européenne dans le cadre du Programme AFAFI Centre, dirigés par le chef de projet Gaby Florent Robert se sont rendus cette fois-ci dans le district d’Anjozorobe pour une rencontre avec le chef de district d’Ankazobe RAFIDISON Fidel le 22 septembre 2021.
Le but de la rencontre étant de présenter le projet en question. Ce fut également une bonne occasion pour mieux programmer la collaboration entre les deux parties. Ce projet consiste plus précisément en un Appui à la sécurisation foncière dont la mise en œuvre s’étend de 2021 à 2025.
Un atelier de lancement officiel du projet TAFITA se tiendra, en outre, prochainement dans le District d’Anjozorobe.