Fifampizarana traik’efa mahakasika ny Gvec na Vondron’olona an-toerana manao tahiry sy mifampindram-bola tao Imeritsiatosika


Ny Gvec na vondrona mpitahiry sy fampindramam-bola ao amin’ny tanàna iray dia tolo-draharaha ara-bola ho an’ny mpikambana ao anatin’ny fikambanana misy azy. Ny fitsipika dia ny fandoavana ny anjaranao isan-kerinandro.
Ny mpikambana dia afaka mindrana ny vola misy ao, rehefa manaraka ny fitsipika izay eken’ny mpikambana rehetra, mba hamaliana ny filàna ara-bola majinika eo amin’ny famokarana sy ny andavan’andron’ireo mpikambana.
Ity tolo-draharaha ity dia tena ilain’ireo mpamokatra mba hanomanana sy hiantohana ireo asa sy filàna isan-karazany entina manatanteraka ny asam-pamokarana. Nisy araka izany ny fifampizarana traik’efa tamin’ireo tetik’asa ato anatin’ny fandaharan’asa Afafi-Centre tao Imerintsiatosika. Ny Fikambanana Fivoarana ao Ambohitrantenaina miara-miasa amin’ny groupe Fifata-Fert sy ny OSDRM-Aga khan no nandray ny fitsidihana. Tonga nanatrika sy nifampizara ihany koa ry zareo solon-tena eo anivon’ny RPGEM izay rafitra miantsoka ny kalitaom-panjohiana sy fiarahan-dalana amin’ny fametrahana ny vondrona manao ny tolo-draharaha tahaka itony.
Ny groupe Fifata-Fert, amin’ny alalan’ny tetikasa Protana dia efa nametraka vondrona miisa zato mahery izay manana ity tolo-draharaha ity. Ny fanadihadiana tamin’ireo vondrona ireo dia namaritra fa tena manamafy ny fiainam-pikambanana ity tolo-draharaha ity ary manampy betsaka ny mpikambana amin’ny filana vola maika sy ny famokarana. Mikolokolo ny toe-tsaina ho tia mampiasa vola sy mamerim-bola ihany koa ity tolo-draharaha ity ary mbola goavana noho izany ny fiarahan-dalana ho an’ireo mpamokatra miara-dia.
Ireo tetik’asa ato anatin’ny fandaharan’asa Afafi-Centre dia nahita fa tena ilaina ity tolo-draharaha ity amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo mpisitrala ny tetikasa. Hisy araka izany ny fanamafisana fahaiza-manao aorian’izao fifampizarana traik’efa notarihin’ny fandaharanasa Afafi centre izao.
𝐏𝐚𝐫𝐭𝐚𝐠𝐞 𝐝’𝐞𝐱𝐩𝐞́𝐫𝐢𝐞𝐧𝐜𝐞 𝐬𝐮𝐫 𝐥𝐞 𝐆𝐯𝐞𝐜 𝐨𝐮 𝐆𝐫𝐨𝐮𝐩𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐯𝐢𝐥𝐥𝐚𝐠𝐞𝐨𝐢𝐬 𝐝’𝐞́𝐩𝐚𝐫𝐠𝐧𝐞 𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐜𝐫𝐞́𝐝𝐢𝐭 𝐚̀ 𝐈𝐦𝐞𝐫𝐢𝐧𝐭𝐬𝐢𝐚𝐭𝐨𝐬𝐢𝐤𝐚
Le Gvec ou groupe villageois d’épargne et de crédit est un service de financement endogène pour les membres d’une organisation paysanne.
Avec ses principes de versement de part hebdomadaire, les membres peuvent emprunter les montants disponibles avec des règlements intérieurs stricts et acceptés par tous les membres pour répondre à leurs besoins de financement agricoles ou extra-agricoles.
Un tel service est nécessaire au sein des groupes de producteurs pour démarrer et/ou financer les besoins des paysans dans leur exploitation agricole. Une séance de partage d’expérience avec les projets du programme Afafi-Centre a eu lieu à Imerintsiatosika auprès de l’Organisation Paysanne (OP) Fivoarana accompagné par le Groupe FIFATA-Fert et l’OSDRM-Aga Khan. Les responsables du réseau RPGEM ont participé à cette séance de partage en expliquant leurs missions, notamment le respect des codes de déontologie dans la pratique et la promotion du système d’épargne et de crédit à Madagascar.
Le groupe FIFATA-Fert à travers le projet Protana (anciennement financé par l’UE et actuellement financé par AFD) ont pu mettre en place une centaine de groupe Gvec en tant que service financier au sein des OP. Une étude menée dans le cadre du projet Protana a montré que l’existence de ce service au sein de l’OP renforce la vie associative et aide les membres dans le financement de leur exploitation, de même qu’elle permet de répondre à certains besoins de trésorerie ponctuels, renforçant globalement la résilience des exploitations agricoles. C’est également un formidable outil d’éducation financière.
L’accompagnement et la mise en place des Gvec soulève encore des défis à relever, comme le renforcement de l’éducation financière des membres et l’amélioration des procédures et règlements intérieurs. La séance de partage d’expérience entre les promoteurs permet déjà de tirer les enseignements pratiques pour orienter les accompagnements sur terrain.
Chaque projet du programme Afafi-Centre a affirmé l’importance du service pour l’amélioration des conditions de vie des bénéficiaires accompagnés. Des programmes de renforcement de capacité vont suivre cette séance d’échange initié par le programme Afafi-Centre.