Fiaraha-miasa eo amin’ny Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable (DREDD) Analanjirofo sy ny Fandaharanasa AFAFI-Nord

Ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny fambolena any amin’ny faritra SAVA, DIANA ary ANALANJIROFO dia anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny fandaharanasa Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives (AFAFI-Nord). Noho izany dia misy ny hetsika vinaina atao izay manamafy ny serivisy ara-teknika itsinjaram-pahefana amin’ny fanatanterahana ny iraka ho tombontsoan’ny vahoaka ary hampivelatra ny fandaminana sy ny fampandehanana ny fikambanana tantsaha sy ny vondrom-piarahamonina ifotony.

Noho izany dia misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable (DREDD) sy ny Fandaharanasa AFAFI-Nord izay nosoniavina ny faha 18 Aogositra 2021 izay mamaritra ny rafitry ny andraikitry ny tsirairay antsoina hoe « cadre d’obligations mutuelles – COM ».

Ny tanjona ho an’ny faritra ANALANJIROFO dia ny fampiharana ny famindrana ny fitantanana ny harena voajanahary azo havaozina « transferts de gestion des ressources naturelles renouvelables (TGRNR) », hanara-maso sy hanohana ny asa fambolen-kazo, ny fitantanana sy fanatsarana ny farihy ary ny fikajiana ny doro tanety, ary ny fanatanterahana hetsika fanabeazana momba ny tontolo iainana amin’ny ambaratonga rehetra.

Ity fiaraha-miasa ity dia hanamafy ny fahaiza-manao ara-teknika, ara-pitaovana ary ny fandaminana an’ireo mpiasa ny DREED tafiditra anatin’ny fanatanterahina ny fandaharanasa AFAFI- Nord mba hahomby kokoa amin’ny fanatanterahana ireo asa nankinina tamin’izy ireo.

Ho fanampin’izay, ho fampiharana ny TGRNR voatanisa ao anatin’io COM io, dia nosoniavin’ireo mpitantana ny ala, izay soloin’ny DREDD ANALANJIROFO tena sy ny programa AFAFI-Nord ny 19 aogositra 2021 ny takelaka miompana amin’ny asa famoronana TGRNR ana faritra misy honko ho tombontsoan’ny vondrom-piarahamonina ifotony ao Manompana.

𝐏𝐚𝐫𝐭𝐞𝐧𝐚𝐫𝐢𝐚𝐭 𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐥𝐚 𝐃𝐢𝐫𝐞𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐥’𝐄𝐧𝐯𝐢𝐫𝐨𝐧𝐧𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐞𝐭 𝐝𝐮 𝐃𝐞́𝐯𝐞𝐥𝐨𝐩𝐩𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐃𝐮𝐫𝐚𝐛𝐥𝐞 (𝐃𝐑𝐄𝐃𝐃) 𝐞𝐭 𝐥𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐍𝐨𝐫𝐝

L’amélioration de la gouvernance du secteur Agricole dans les régions SAVA, DIANA et ANALANJIROFO figure parmi les priorités du Programme d’Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives (AFAFI-Nord). Aussi, ont été prévues des actions pour renforcer les Services techniques déconcentrés dans l’accomplissement de leurs missions au bénéfice des populations cibles et développer la structuration et l’opérationnalisation des organisations paysannes et communautés de base.

Dans cette optique, un partenariat entre la Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable (DREDD) et le programme AFAFI-Nord a été conclu le 18 août 2021 avec la signature d’un cadre d’obligations mutuelles.

Dans la Région ANALANJIROFO l’objectif étant de mettre en œuvre des transferts de gestion des ressources naturelles renouvelables (TGRNR), de suivre et accompagner des activités de reboisement, d’aménagement des bassins versants et de lutte contre les feux de brousse, et de réaliser des activités d’éducation environnementale à tous les niveaux.

Ce partenariat permettra de renforcer les capacités techniques, matérielles et organisationnelles des agents de la DREED impliqués dans la mise en œuvre du programme AFAFI-Nord afin de les rendre plus performants dans l’exercice des tâches qui leur sont confiées.

Par ailleurs, en vue de concrétiser la mise en œuvre de TGRNR prévue dans ledit cadre d’obligations mutuelles, une fiche-action portant sur l’activité de création d’un TGRNR d’une zone de mangrove au profit des Communautés de Base (COBA) de la baie de Manompana a été signée entre l’administration forestière, représentée par la DREDD ANALANJIROFO, et le programme AFAFI-Nord le 19 Août 2021.