Fiaraha-miasa eo amin’ny Direction Régionale de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène (DREAH) ANALANJIROFO sy ny Fandaharanasa AFAFI-Nord entin-manangana fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro madio sy fotosrafitrasa fidiovana

Mahazo tohana ny serivisy ara-teknika itsinjaram-pahefana amin’ny fanatanterahana ny iraka ho tombontsoan’ny vahoaka ary hivelatra ihany koa ny rafitra sy ny fampandehanana ny fikambanana tantsaha sy ny vondrom-piarahamonina ifotony noho ny fisian’ny fandaharanasa “Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives (AFAFI-Nord) » izay mikendry manokana ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny fambolena any amin’ny faritra SAVA, DIANA ary ANALANJIROFO.
Ho an’ny Faritra ANALANJIROFO, hahatratrarana ny tanjona hamorona fotodrafitrasa hahazoana rano fisotro madio sy ny mba hisian’ny fahadiovana dia misy fiaraha-miasa eo amin’ny Direction Régionale de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène (DREAH) ANALANJIROFO sy ny Fandaharanasa AFAFI-Nord, izay nohamafisina tamin’ny fanaovan-tsonia ny rafitry ny adidy iraisana na “cadre d’obligations mutuelles » (COM) ny voalohan’ny volana oktobra 2021.
Ity fiaraha-miasa ity dia hanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknika, ara-pitaovana ary ara-pandaminan’ny DREAH izay mandray anjara feno amin’ny fandinihana ny APS sy ny APD, ny asa fanaraha-maso ny fananganana fotodrafitrasa famatsian-drano fisotro sy fotodrafitrasa fidiovana, ary mampiofana ny tompon’andraikitra monisipaly amin’ny fitantanana tetikasa ho an’ny serivisy ho an’ny rano sy ny mpampiasa rano.
Raha tsiahivina, ny fandaharanasa AFAFI-Nord ANALANJIROFO vatsian’ny Vondrona eoropeana ao anatin’ny 11ème FED dia mikendry ireo dobom-pamokarana ao amin’ny Kaomina Ampasina Maningory sy Ampasimbe Manantsatrana ao amin’ny Distrikan’i Fénérive-Est, ary Soanierana Ivongo, Antanifotsy ary Manompana ao amin’ny Distrikan’ny Soanierana Ivongo.
𝐏𝐚𝐫𝐭𝐞𝐧𝐚𝐫𝐢𝐚𝐭 𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐥𝐚 𝐃𝐢𝐫𝐞𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐑𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞 𝐝𝐞 𝐥’𝐄𝐚𝐮, 𝐝𝐞 𝐥’𝐀𝐬𝐬𝐚𝐢𝐧𝐢𝐬𝐬𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭 𝐞𝐭 𝐝𝐞 𝐥’𝐇𝐲𝐠𝐢𝐞̀𝐧𝐞 (𝐃𝐑𝐄𝐀𝐇) 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐍𝐉𝐈𝐑𝐎𝐅𝐎 𝐞𝐭 𝐥𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐍𝐨𝐫𝐝 𝐩𝐨𝐮𝐫 𝐥𝐚 𝐦𝐢𝐬𝐞 𝐞𝐧 𝐩𝐥𝐚𝐜𝐞 𝐝𝐞𝐬 𝐢𝐧𝐟𝐫𝐚𝐬𝐭𝐫𝐮𝐜𝐭𝐮𝐫𝐞𝐬 𝐝’𝐚𝐝𝐝𝐮𝐜𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝’𝐞𝐚𝐮 𝐩𝐨𝐭𝐚𝐛𝐥𝐞 𝐞𝐭 𝐝’𝐚𝐬𝐬𝐚𝐢𝐧𝐢𝐬𝐬𝐞𝐦𝐞𝐧𝐭
Dans le cadre du « Programme d’Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives (AFAFI-Nord) » qui vise notamment l’amélioration de la gouvernance du secteur Agricole dans les régions SAVA, DIANA et ANALANJIROFO, des actions ont été prévues pour renforcer les Services techniques déconcentrés dans l’accomplissement de leurs missions au bénéfice des populations cibles et développer la structuration et l’opérationnalisation des organisations paysannes et communautés de base.
Dans la Région ANALANJIROFO qui s’est fixé pour objectif de réaliser des infrastructures d’accès à l’eau potable et à l’hygiène, un partenariat entre la Direction Régionale de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène (DREAH) ANALANJIROFO et le programme AFAFI-Nord a été conclu le 1er Octobre 2021 avec la signature d’un cadre d’obligations mutuelles (COM).
Ce partenariat permettra de renforcer les capacités techniques, matérielles et organisationnelles des agents de la DREAH impliqués dans la mise en œuvre des actions liées à l’inventaire des infrastructures d’adduction d’eau potable et d’assainissement, aux études APS et APD, au suivi des travaux de réalisation des infrastructures d’adduction d’eau potable et d’assainissement, et à la formation des agents communaux à la maîtrise d’ouvrage du service de l’eau et des associations des usagers de l’eau (AUE).
Pour rappel, le programme AFAFI-Nord ANALANJIROFO financé par l’Union Européenne dans le cadre du 11ème FED cible des bassins de production dans les Communes d’Ampasina Maningory et d’Ampasimbe Manantsatrana dans le District de Fénérive-Est, et de Soanierana Ivongo, d’Antanifotsy et de Manompana dans le District de Soanierana Ivongo.

