Fiara tsy mataho-dalana miisa dimy (5) no natolotry ny Vondrona eropeana, ho an’ireo Minisitera telo, tamin’ny alalan’ny fandaharanasa RINDRA

Ny tanjona dia ny mba 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐢𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚na 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐞𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐦𝐛𝐨𝐥𝐞𝐧𝐚, 𝐅𝐢𝐨𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚, 𝐉𝐨𝐧𝐨 𝐚𝐫𝐲 𝐓𝐨𝐧𝐭𝐨𝐥𝐨 𝐢𝐚𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐤𝐨𝐚 𝐡𝐨 𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐚𝐧𝐝𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐬𝐚 𝐑𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀.
Notanterahina teo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny maraina teo ny lanonana fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fiara ireo, izay notronon’ny Masoivohon’ny Vondrona eoropeana eto Madagasikara, Atoa Giovanni Di Girolamo. , Rtoa RAHARINOMENA Fanja – Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Fambolena, ny Fiompiana, Atoa TILAHY Désiré – Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga, Atoa RAJOELINA Hery Mandimby – Talen’ny BACE, solontenan’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ary koa ny solontenan’ny Ministeran’ ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy
Ireto fiara ireto dia ho hampiasaina amin’ny fanatanterahina ny asa anatin’ny fandaharanasa RINDRA izay vatsian’ny Vondrona eoropeana vola mitentina 160 miliara Ariary (40.000.000 EUR) FED faha-11. Ity Fandaharanasa ity dia mikendry ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny fambolena, fiompiana, jono ary tontolo iainana (AEPE) amin’ny fomba maharitra.
Hanampy amin’ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso izay ataon’ireo minisitera isan-tsokajiny voakasik’izany ny fanomezana ireo fiara ireo, ary koa amin’ny fanapariahana ireo fampiofanana sy ny asa fikarohana.
Nanamafy ny Masoivoho ny Vondrona eoropeana eto Madagasikara tao anatin’ny lahateniny, fa maneho ny finiavana hanohana ny vahoaka malagasy izao fihetsika izao.
Ny Talen’ny Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure, izay nisolo tena ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia nanamafy fa raha tsy misy ny fitaovana enti-miasa dia tsy ampy ny fananana olona sy ny teknika hiatrehana ny fanamby lehibe amin’ny fanavaozana ilaina sy fanamafisana ny fanakekezana ny vahoaka.
Teo am-pamaranana ny lanonana dia naneho ny fankasitrahana ny Delegasionan’ny Vondrona eoropeana eto Madagasikara ny Sekretera jeneraly


