Faritra Atsimo : Hihena ny fahasahiranan’ireo mpanjono

Notanterahina ny 21 Septambra 2021 ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ireo lakana andrana vita amin’ny hazo fisaka izay natao ho modely hampiroboroboana ny fanjonoana any amin’ny faritra Atsimo : Androy sy Anôsy. Tanjona ny hampitombo ny vola miditra isan-tokantranon’ireo mpanjono sy hiadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Hihena ihany koa ny fahasahiranan’ny mpanjono satria tsy voatery manafatra lakana avy lavitra intsony izy ireo.
Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisitera ny Jono sy ny Toe-karena Manga sy ny tetikasa GIZ/PrAda izay vatsian’ny Vondrona Erôpeana vola tamin’ny alalan’ny tetikasa Afafi-Sud no nahazahoana ireo fampitaovana ireo.Ny ivontoerana fampiofanana fanamboaran-dakana ao Majunga no angady nananana izao lakana izao (CFPCM).
Ho fantsarana ny tontolon’ny jono amin’ny Faritra Androy sy Anôsy dia tanora miisa 40 avy any no hofanina any Mahajanga mahakasika ny asa fanamboaran-dakana.


