Fanomanana ny hetsika OCFM na “Opération de Certificat Foncier Massive”

Mitohy ny hetsika ataon’ny tetikasa TAFITA. Raha tsiahivina dia anisan’ny tetikasa 5 ao anatin’ny fandaharan’asa AFAFI Centre izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara ity tetikasa ity.
Nanomboka tamin’ny volana desambra 2021, dia nandray ny fangatahana amin’ny hetsika OCFM (Opération de Certificat Foncier Massive) ny ekipa eny an-toerana any amin’ny kaominina sasany mandray anjara amin’ny tetikasa: Kaominina Mahavelona, Kaominina Miantso ary Kaominina Ampanotokana.
Ny tena tanjon’ny tetikasa dia ny fanatanterahana asa manara-penitra izay mametraka fanaraha-maso voalamina, araka ny dingana tsirairay, indrindra fa ny hamafin’ny ekipa iray manontolo.
Ao anatin’izany ihany koa mba hahazoana antoka ny vokatra tsara, ny fiofanana sy ny fanaraha-maso tsy tapaka dia ataon’ireo mpitantana (Talen’ny Faritra sy Tany; mpitantana ny fanaraha-maso sy ny fanombanana) ny tetikasa TAFITA. Izany dia mahakasika indrindra ny fanofanana ny CRL « Comité de Reconnaissance Locale », nanomboka ny alatsinainy 10/01/2022.
Raha mitohy ny hetsika dia manantena fa tsy ho ela dia afaka maneho vokatra mivaingana sy miroso amin’ny fizarana ny « certificats fonciers ».
𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 : 𝐏𝐫𝐞́𝐩𝐚𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐥’𝐚𝐜𝐭𝐢𝐯𝐢𝐭𝐞́ “Opération de Certificat Foncier Massive” 𝐎𝐂𝐅𝐌
Les activités du projet TAFITA s’enchainent. Pour rappel, ce projet figure parmi ceux mis en œuvre dans le cadre du Programme AFAFI centre financé par l’Union Européenne à Madagascar.
L’équipe sur terrain entame depuis le mois de décembre 2021 les réceptions des demandes de l’activité OCFM (Opération de Certificat Foncier Massive) dans quelques communes d’intervention du projet : Commune Mahavelona, Commune Miantso et la Commune d’Ampanotokana.
L’objectif du projet est réellement de réaliser un travail de qualité qui impose un suivi structuré, selon chaque étape, mais surtout la rigueur de toute l’équipe.
Dans ce même contexte et pour assurer des résultats de qualité, des formations et des suivis continus sont effectués par les responsables (Responsable de zone et Foncier ; Responsable de suivi et évaluation) du projet TAFITA. Il s’agit notamment de la formation des CRL « Comité de Reconnaissance Locale », depuis lundi 10/01/2022.
Si l’activité se poursuit, nous espérons pouvoir bientôt présenter des résultats concrets et procéder à la distribution de certificats fonciers.

