Fanolorana ireo vokatry ny fitsirihana teo anivon’ny Kaominina nataon’ireo ekipan’ny tetikasa TAFITA

Ambatofotsy faha 𝟑𝟎 𝐧𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟏, 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐥𝐨𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐭𝐬𝐢𝐫𝐢𝐡𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐧’𝐧𝐲 𝐊𝐚𝐨𝐦𝐢𝐧𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐞𝐤𝐢𝐩𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐭𝐢𝐤𝐚𝐬𝐚 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀.

Notontosaina ny talata 30 novambra 2021 tao Ambatofotsy ny fanolorana ny vokatra azo tamin’ireo tombana mombamomba ny kaominina na “Diagnostic Communal” nataon’ny tetikasa TAFITA, izay nandraisan’ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka sy mpiara-miasa amin’ny tetikasa anjara.

Tsiahivina fa ny volana aogositra tamin’ity taona ity no natomboka ny asa nanaovana tombana mombamomba ny kaominina ary io no hetsika voalohany nataon’ny tetikasa TAFITA.

Nojerena manokana ny kaominina tsirairay avy. Ohatra amin’izany ny fananana fitaovana entina miasa (toy ny solo-saina), ny fomba fintantanana sy fanatanterahina asa, ny fanamboarana ny teti-bola ao amin’ny kaominina, ny fisian’ny fikambanam-behivavy, …

Miankina tanteraka amin’ny vokatry ny tombana vita ny hetsika sy ny dingana rehetra hotanterahan’ny tetikasa, izany dia mba hahafahana mamaritra ireo hetsika mifanandrify sy mamaly ny tena filàn’ny Kaominina tsirairay. Ny fanatanterahina izany dia anisan’ny manampy ny tetikasa amin’ny fanatrarana ny tanjony ihany koa.

Amin’ny ankapobeny dia miabo ny valin’ny fitsirihana natao teo anivon’ny kaominina. Vita tamin’izany ny fanasokajiana ny Kaominina tohanana araka ny sehatra iandraiketan’ny tetikasa TAFITA sy ny fijeravana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka hafa ao amin’ireo Kaominina ireo.

𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 : 𝐑𝐞𝐬𝐭𝐢𝐭𝐮𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐝𝐢𝐚𝐠𝐧𝐨𝐬𝐭𝐢𝐜 𝐜𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐮 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀 𝐥𝐞 𝐦𝐚𝐫𝐝𝐢 𝟑𝟎 𝐧𝐨𝐯𝐞𝐦𝐛𝐫𝐞 𝟐𝟎𝟐𝟏 à Ambatofotsy.

La journée du mardi 30 novembre a été marquée par la réalisation de la restitution du diagnostic communal effectué par le projet TAFITA, une séance à laquelle ont participé les représentants des potentiels partenaires et collaborateurs associés au projet.

Rappelons que le Diagnostic communal a été entamé depuis le mois d’août 2021 et il fut la première activité sur terrain réalisée par le projet TAFITA.

Le profil de chaque commune a été soigneusement examiné. la disponibilité des équipements et matériels pour la réalisation des activités (disponibilité d’ordinateurs), la gestion et l’exécution de leurs missions et de leurs budgets, l’existence d’association de femmes,…

En effet, toutes les activités et démarches que le projet entreprendra dépendent entièrement des résultats du diagnostic. Ceci pour la réalisation d’une action ciblée, appropriée mais surtout qui va répondre d’une manière précise aux attentes de chaque Commune. Le diagnostic communal est essentiel pour les actions futures et pour l’atteinte des objectifs visés par le projet.

D’une manière générale, les résultats du diagnostic sont positifs notamment la catégorisation des Communes appuyées suivant les domaines d’intervention de TAFITA et l’identification des pistes de collaboration avec les autres intervenants dans lesdites Communes.