Fanokafana amn’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny Tetikasa Antoka ho an’ny Fananan-Tany Isian’ny Tantana Ara-drariny na TAFITA

Tetikasa iray ao anatin’ireo tetikasa dimy ny fandaharan’asa AFAFI-Centre, izay vatsian’ny vondrona eoropeana vola ny tetikasa TAFITA. Izany dia natao tao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ny zoma faha 30 ny volana jolay 2021 lasa teo tao amin’ny tranompokonolona Ambohidratrimo. Ny atrikasa fanombohana amin’ny fomba ofisialy voalohany dia notanterahina tany Arivonimamo.
Lehibe ny fanamby hapetraka amin’ity tetikasa TAFITA ity ao anatin’ny efa-taona. Voalohany, Kaomina sy birao ifoton’ny fananantany maharitra ho tombontsoan’ny be sy ny maro ; faharoa, fanetsiketsehana ny tahan’ny fampidiran-ketra izay afaka hanatevina ny fidiram-bolan’ny kaomina entina mampandroso azy sy hizakany ny fandaniana miandry azy ; fahatelo, fanatsarana ny fitantanana ifotony ho ara-dalàna sy mangarahara ny eo anivon’ny kaomina ary farany dia hilamina sady voaharo ireo vahoaka satria hisy ny fanomezana kara-tany miisa 60 000, hipetraka tsara ny zo an’izy ireo mikasika ny fananan-tany ary hilamina ny fanajariana ifotony ny lafin-tany.
Tetibola 2 tapitrisa euro no voatokana hanatanterahina ny Tetikasa TAFITA. Kaominina 26 no isitraka izany.
Le lancement officiel du projet TAFITA, un des cinq projets du programme AFAFI-Centre, financé par l’Union européenne se poursuit.
L’atelier de lancement s’est tenu dans le district d’Ambohidratrimo le vendredi 30 juillet 2021. Le premier atelier de lancement officiel a eu lieu à Arivonimamo.
Le projet Tafita interviendra au cours des quatre prochaines années dans l’amélioration de la réforme et de la sécurisation foncière, l’amélioration de la fiscalité locale pour le développement de la commune et pour couvrir ses dépenses, l’amélioration de la gouvernance locale par le biais d’une administration légale et transparente et enfin la mise en place d’un document de planification territoriale. Les citoyens seront alors protégés grâce notamment à la distribution de 60 000 certificats fonciers. Leurs droits de propriété seront respectés.
Un budget de 2 millions d’euros a été alloué pour la mise en œuvre du projet TAFITA qui bénéficiera à 26 communes.



