Fandaharan’asa AFAFI-Centre : Fivoriana fandrindrana ny asa eo amin’ny tetikasa “TAFITA sy PAGLI” natao ny 05 novembre 2021 tao Andoharanofotsy
Tontosa anio faha 05 ny volana novambra 2021 ny fivoriana fandrindrana ny fampiarahan’asa ataon’ny tetikasa TAFITA sy ny tetikasa PAGLI izay samy tetikasa vatsian’ny Vondrona eoropeana vola.
Tsiahivina fa hiditra an-tsehatra ao anatin’ny efa-taona ho avy ny tetikasa TAFITA amin’ny :
- fanatsarana ny fanajariana sy ny fandriampahalemana eo amin’ny sehatry ny fananan-tany
- fanatsarana ny fanangonana hetra eny an-toerana ho fampandrosoana ny kaominina sy ny fanonerana ny fandaniana.
- tafiditra ihany koa ny fanatsarana ny fitantanana eo an-toerana amin’ny alalan’ny fitantanana ara-dalàna sy mangarahara
- fametrahana ny antontan-taratasy momba ny fandrindrana ny faritany.
Mandray anjara amin’ny fanatsarana ny fitantanana eo an-toerana ao amin’ny « intercommunalités » efatra iraisan’ny kaominina ao amin’ny Faritra Itasy (tanàna dimy ambin’ny folo) ny “Projet d’Appui à la Gouvernance Locale en Itasy – PAGLI” mba hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina, indrindra ny momba ny fahazoana rano, ary fampiroboroboana ny fandraisan’ny olom-pirenena anjara, amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fihetsehan’ny fifampidinihana iombonana eo amin’ny sehatra eo an-toerana, amin’ny fianteherana amin’ny fanamafisana ny andrim-panjakana eo an-toerana sy ny fanokanana ny fitsinjaram-pahefana ataon’ny mponina sy ny fiarahamonim-pirenena.
Ny tanjona tamin’izany fihaonana izany dia ny hisian’ny fandrindrana matipaika ny fiaraha-miasa izay ho tanterahina mba hisian’ny fampiasana araky ny tokony ho izy ny enti-manana izay hanantanterahana ny asa.
𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 : 𝐑𝐞́𝐮𝐧𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞 𝐬𝐲𝐧𝐞𝐫𝐠𝐢𝐞 𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 𝐥𝐞 𝐩𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀 𝐞𝐭 𝐥𝐞 𝐏𝐫𝐨𝐣𝐞𝐭 𝐏𝐀𝐆𝐋𝐈 𝐚̀ 𝐀𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨𝐟𝐨𝐭𝐬𝐲 𝐥𝐞 𝐯𝐞𝐧𝐝𝐫𝐞𝐝𝐢 𝟎𝟓 𝐍𝐨𝐯𝐞𝐦𝐛𝐫𝐞 𝟐𝟎𝟐𝟏
Une réunion de synergie entre les projet TAFITA et PAGLI, financés par l’Union Européenne, s’est tenue ce vendredi 05 novembre à Andoharanofotsy.
Rappelons que le projet TAFITA interviendra au cours des quatre prochaines années dans :
- l’amélioration de la réforme et de la sécurisation foncière
- l’amélioration de la fiscalité locale pour le développement de la commune et pour couvrir ses dépenses
- l’amélioration de la gouvernance locale par le biais d’une administration légale et transparente
- la mise en place d’un document de planification territoriale.
Le “Projet d’Appui à la Gouvernance Locale en Itasy – PAGLI” contribue pour sa part à l’amélioration de la gouvernance locale sur le territoire de quatre intercommunalités de la Région Itasy (quinze communes) pour améliorer les conditions de vie des populations, notamment en termes d’accès à l’eau, et de favoriser la participation citoyenne; en consolidant au niveau local les dynamiques de concertation communales, en s’appuyant sur le renforcement institutionnel local et l’appropriation de la décentralisation par les populations et la société civile.
Le but étant de mettre en place une coordination sur les actions que les deux projets en question vont réaliser afin d’optimiser les ressources disponibles.
La rencontre a été très fructueuse et d’autres échanges sont programmés dans les prochains jours.

