Fandaharan’asa AFAFI Centre : fitsisihina ara-pomba fanajana tany amin’ny Faritra Itasy

Tontosa ny 25 novambra 2021 ny fitsidihana ara-pomba fanajana tany amin’ny faritra Itasy, izay anisan’ny faritra hiasan’ny fandaharan’asa AFAFI Centre. Anisan’ny mpitsidika tamin’izany ny Talen’ny BACE ary koa ny mpiandraikitra ny fandaharan’asa ao amin’io birao io ihany, ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina eto Madagasikara, ny solontenan’ny ‘Assistance Technique’ an’ny fandaharan’asa ary ireo mpitantana sasany avy amin’ny Tetikasa AMBIOKA, AMPIANA 2, DIABE ary PROFILAIT.
Nisy araka izany ny fitsidihana ny Governoran’ny Faritra, ny Lehiben’ny sampan-draharaham-paritry ny Jono sy ny Fambolena (SRPA), ny CIREDD Itasy, ny Talen’ny Tahirim-bolam-paritry ny Fampandrosoana ny Fambolena (FDAR), ny Tale misahana ny Fitantanam-bola eo anivon’ny Ofisim-paritry ny Fanjarian-tsakafo (ORN) sy ny talem-paritry ny fambolena sy fiompiana (DRAE) eny an-toerana.
Natao izao fitsidihana izao hampahafantarana ny fandaharan’asa AFAFI Centre sy ireo asa rehetra ho tanterahina ao amin’ny faritra Itasy. Ity fitsidihana ity koa dia mikendry ny hametraka fiaraha-miasa eo amin’ireo sampana rehetra ireo.
Hitondra anjara biriky maharitra amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy ny fanjarian-tsakafo ho an’ny tokantrano any ambanivohitra any amin’iny faritra iny ny fandaharan’asa AFAFI Centre. Izany dia hotanterahina eny amin’ny kaominina 50, indrindra ho an’ny faritra Analamanga sy Itasy.
𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈 𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 : 𝐯𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞 𝐝𝐞 𝐜𝐨𝐮𝐫𝐭𝐨𝐢𝐬𝐢𝐞 𝐝𝐚𝐧𝐬 𝐥𝐚 𝐫𝐞́𝐠𝐢𝐨𝐧 𝐈𝐭𝐚𝐬𝐲
Une visite de courtoisie s’est déroulée le 25 novembre 2021 dans la région Itasy, qui figure parmi les régions d’intervention du Programme AFAFI Centre. Parmi les participants : le Directeur du Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure et le chargé du Programme AFAFI Centre auprès de ce même bureau, un représentant de la Délégation de l’Union Européenne à Madagascar, un représentant de l’équipe d’Assistance Technique du Programme ainsi que certains responsables issus des projets AMBIOKA, AMPIANA 2, DIABE et PROFILAIT. Rappelons que ces derniers sont déployés dans le cadre du programme AFAFI Centre.
Ainsi, les visites ont été conduites auprès du Gouverneur de la Région, du Chef du Service Régional de la Pêche et de l’Aquaculture (SRPA), de la Circonscription de l’environnement et du développement durable (CIREDD), du Directeur du Fonds Régional de Développement Agricole (FDAR), du Directeur Administratif et Financier de l’Office Régional de Nutrition (ORN) et du Directeur de la Direction Régionale de l’Agriculture et de l’Elevage (DRAE).
Ce fut l’occasion de leur présenter le Programme AFAFI Centre et les différentes activités menées dans la région d’Itasy. Cette visite visait également à instaurer une certaine synergie dans les activités de toutes ces entités.