Fandaharan’asa AFAFI Centre : Fiantombohan’ny hetsika “Recensement Parcellaire”

Natomboka ny fanangonana ny antonta rehetra momba momba ny tany na ny “collecte de données” ao amin’ireo kaominina 20 amin’ireo kaominina 26 hiasan’ny tetikasa TAFITA izay hanatanterahana ny hetsika « Recensement Parcellaire (RP)» ny 8 novambra 2021 teo rehefa vita ny fanentanana sy fampahafantarana ny hetsika teo anivon’ny kaominina herinandro vitsy izay.

Ny ekipan’ny tetikasa TAFITA miasa eny ifotony, anisan’izany ireo mpanentana eo anivon’ny kaominina sy ireo mpiandraikitra ny fanisana, dia miantoka ny fizotry ny asa ho araka ny tokony ho izy hahazoana vokatra tsara kalitao hanatrarana ny tanjon’ny tetikasa izay mifandray amin’ny lohahevitra fiarovana ny fanan-tany sy ny famerenana ny hetra eny an-toerana. Ireo lehiben’ny Faritra sy ny manam-pahaizana momba ny fananan-tany ao amin’ny tetikasa TAFITA no manara-maso ny asa.

Mitohy hatrany araka izany ny fitsidihan’ireto mpanara-maso eny ifotony. Tanjona ny hanohanana ireo mpanentana kaominaly izay mitantsoroka ny kaominina amin’ny fanatanterahana ny “Recensement Parcellaire” ( PR) sy ireo mpiandraikitra ny fanisana izay manantanteraka ny fanangonana ny momba momba ny tany tsirairay sy ny famaritana ny kisarin-tany.

𝗣𝗿𝗼𝗴𝗿𝗮𝗺𝗺𝗲 𝗔𝗙𝗔𝗙𝗜 𝗖𝗲𝗻𝘁𝗿𝗲 : 𝗗𝗲́𝗺𝗮𝗿𝗿𝗮𝗴𝗲 𝗱𝗲 𝗹’𝗮𝗰𝘁𝗶𝘃𝗶𝘁𝗲́ « 𝗥𝗲𝗰𝗲𝗻𝘀𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗣𝗮𝗿𝗰𝗲𝗹𝗹𝗮𝗶𝗿𝗲 »

Après une phase de sensibilisation intensive de quelques semaines sur le lancement de l’activité PR ou Recensement Parcellaire dans les communes d’intervention du projet TAFITA, la collecte des données est désormais lancée. Actuellement, 20 communes sur les 26 communes prévues pour la réalisation de cette activité ont déjà entamé leur collecte de données depuis le 8 novembre 2021.

L’équipe du projet TAFITA sur le terrain composée d’Animateurs Communaux (AC) et d’Agents recenseurs (AR), sous la supervision du Responsable de Zone et de l’Expert Foncier, assure le bon déroulement de l’activité en garantissant un résultat de qualité qui contribue à l’atteinte de l’objectif du projet lié à la thématique de la sécurisation foncière et de la relance de la fiscalité locale.

Les descentes du Responsable de Zone et de l’expert foncier TAFITA se poursuivent pour assurer le suivi des activités des agents de terrain. Le but est d’appuyer les AC qui assurent l’accompagnement des communes dans la réalisation du RP et les AR qui effectuent la collecte des informations ainsi que le traçage des parcelles (terrains) sur la carte.