Fandaharan’asa AFAFI-Centre : fanofanana ireo ben’ny tanàna amin’ny fanomanana ny tetibola voalohany “Budget Primitif” tetsy Anjozorobe

Ao anatin’ny fampiharana ny lohahevitra momba ny fitondrana tsara tantana, dia nikarakara ny fanofanana momba ny fanomanana ny tetibola voalohany ho an’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina amin’ireo faritra fandraisana an-tanana ny tetikasa ny ekipan’ny TAFITA. Izany dia ho fanatsarana ny fahaizan’izy ireo amin’ny fanomanana ny tetibola.
Notanterahina ny 17 novambra 2021 teo, araka izany, ny fiofanana voatondro teny Anjozorobe ho tombontsoan’ny ben’ny Tanàna sy ny CT (Trésorier kaominaly) ao amin’ny kaominina 11 ao amin’ny distrikan’Anjozorobe. Marihina fa kaominina telo (3) amin’ireo iraika ambin’ny folo (11) tonga no mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa TAFITA. Nahazo tombontsoa tamin’izany fiofanana izany ireo kaominina hafa noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny tetikasa TAFITA sy ny lehiben’ny Distrika ao Anjozorobe.
𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 : 𝐟𝐨𝐫𝐦𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐦𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐬𝐮𝐫 𝐥’𝐞́𝐥𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐛𝐮𝐝𝐠𝐞𝐭 𝐩𝐫𝐢𝐦𝐢𝐭𝐢𝐟 « 𝐁𝐏 » 𝐚̀ 𝐀𝐧𝐣𝐨𝐳𝐨𝐫𝐨𝐛𝐞
Le projet TAFITA qui figure parmi les 5 projets du programme AFAFI-Centre financé par l’Union européenne, mène actuellement plusieurs activités.
Dans le cadre de la mise en œuvre de la thématique de la bonne gouvernance, une formation sur l’élaboration d’un budget primitif à l’intention des responsables communaux des zones d’intervention du projet a été initiée par l’équipe TAFITA. Ceci afin d’améliorer leur compétence en matière d’élaboration budgétaire.
Ainsi, la formation en question a été réalisée le 17 novembre 2021 à Anjozorobe au profit des maires et CT (Trésorier Communal) des 11 communes du district d’Anjozorobe. A noter que trois (3) communes parmi les onze (11) présentes sont partenaires du projet TAFITA. Les autres communes ont pu bénéficier de cette formation grâce à la collaboration entre le projet TAFITA et le Chef de District d’Anjozorobe.

