Fampivoarana ny sehatry ny fiompiana et Madagasikara amin’ny alalan’ny lasim-panofanana natokana ho an’ireo Mpiompy Manampy amin’ny Asa Veterinera (MMAV)

Tontosa ireo atrikasa andiany voalohany tao anatin’ny faritra iraika ambin’ny folo eto Madagasikara (Boeny, Betsiboka, Sofia, Bongolava, Melaka, Itasy, Vakinakaratra, Ihorombe, Atsimo andrefana ary Menabe) enti-manolotra, manao tombana ary manaparitaka ireo lasim-panofanana natokana ho an’ireo Mpiompy Manampy amin’ny Asa Veterinera (MMAV).

Tonga nanatrika izany ireo veterinera isam-paritra, ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisitera ny Fambolena, ny Fiompiona ary ny Jono isam-paritra, natrehan’ny governora isam-paritra.

Notontosaina tamin’izany ny tomban’ezaka amin’ireo zavatra vita sy ny lasim-panofanana izay napetraka tamin’ny taona 2018. Zava-dehibe ny fanangonana ireo fanamarihana avy amin’ireo veterinera mikasika io lasim-panofanana io hahafahana manatsara sy mameno ny mety ho banga.

Notanterahina tamin’izany ihany koa ny tomban’ezaka amin’ny fampiofanana ireo mpiompy manampy amin’ny asa veterinera mba hatratrarana ny tanjona amin’ny fanakekezana ny vahoaka hahafahana mamoaka hevitra enti-manatsara ny fiompiana.

Hisy ny dinik’asa entina andravonana ireo soso-kevitra nivoaka nandritra ny atrikasa izay natao isam-paritra.