Fampiofanana ireo mpiasa eo anivon’ireo biraon’ny fananan-tany (AGF) sy ireo mpanentana kaominaly (AC) ao amin’ny tetikasa TAFITA

Notanterahina nandritra ny herinandro lasa teo ny fa-nofanana ireo mpiasa eo anivon’ireo biraon’ny fananan-tany (AGF) sy ireo mpanentana kaominaly (AC) ao amin’ny tetikasa TAFITA izay nokarakarain’ny sampan-draharahan’ny fananan-tany (DSFD). Dimy andro ny faharetan’ny fiofanana izay niantomboka ny 29 novambra 2021 hatramin’ny 03 desambra 2021.

Ny tanjon’ny fampiofanana dia ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpandray anjara mikasika ny resaka tany sy ny fananantany, indrindra amin’ny la-finy ara-teknika entina hanamorana ny fanatanteraha-na ny asan’izy ireo ; anisan’izany ny fanatanterahana ny hetsika kara-tany faobe sy izay rehetra manodidina ny biraon’ny fananan-tany.

Nifantoka tamin’ny fampianarana ireo fomba fiasa samihafa sy ny dingana tokony harahina ireo mpam-piofana.

Rehefa vita ny fampiofanana dia hanomboka amin’ity herinandro ity ny fanatanterahina ny hetsika kara-tany faobe ho an’ny tetikasa TAFITA. kaominina roa no hanombohana izany.

𝐅𝐨𝐫𝐦𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐀𝐠𝐞𝐧𝐭𝐬 𝐝𝐮 𝐆𝐮𝐢𝐜𝐡𝐞𝐭 𝐅𝐨𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 𝐞𝐭 𝐀𝐧𝐢𝐦𝐚𝐭𝐞𝐮𝐫𝐬 𝐂𝐨𝐦𝐦𝐮𝐧𝐚𝐮𝐱 du Projet 𝐓𝐀𝐅𝐈𝐓𝐀 𝐬𝐮𝐫 𝐥𝐞 𝐟𝐨𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫

Une formation de cinq (5) jours à l’initiative et sous la supervision de la Direction du Service Foncier Décentralisé (DSFD) à l’endroit des Agents du Guichet Foncier (AGF) et des Animateurs Communaux (AC) du projet TAFITA s’est tenue au FOFIKRI à Ilafy le 29 novembre 2021 au 03 décembre 2021.

L’objectif principal de la formation est de renforcer les capacités des participants sur le foncier en insistant sur les points techniques nécessaires en vue de faciliter la réalisation des activités des AGF et des AC, notamment, la réalisation de l’Opération de Certification Foncière Massive (OCFM) et tout ce qui entoure le Guichet Foncier Décentralisé (GFD). Les formateurs ont accentué les séances sur les différentes méthodologies, les différentes procédures et démarches à suivre.

Le lancement de l’activité OCFM du projet TAFITA débutera dans deux communes cette semaine justifiant la tenue de la formation.