Fampihofanana ireo ben’ny tanàna amin’ny famolavolana ny teti-bola voalohany izay atao ny 05 sy 06 octobra 2021

Ny tetikasa TAFITA, izay tetikasa iray ao anatin’ireo tetikasa 5 dimy ny fandaharanasa AFAFI-Centre, vatsian’ny vondrona eoropeana vola dia manantontosa fampiofanana ireo ben’ny tanàna sy ireo solontena vitsivitsy eo anivon’ny kaomina voakasik’izany.

Miompana amin’ny famolavolana ny tetibola voalohany ho an’ny kaomina ny fampiofanana. Mandritra ny roa andro no anatanterahina izy ity, manomboka anio talata 05 oktobra 2021 ary mifarana ny alarobia 06 oktobra 2021 ao Andoharanofotsy.

Ampatsiahivina fa ny tetikasa TAFITA dia misahana sehatra 4 mirafitra tsara :

tantsoroka ny fitantanana ifitony ny fananan-tany ; fanetsehana ny hetra eny ifotony ; fanaovana ny SAC « Shémas d’Aménagements Communaux » ary farany ny fanatsarana ny fitantanana eny ifotony.

Mba hirosoana amin’izay kaomina tsara tantana izay indrindra no antony namolavolan’ny tetikasa TAFITA izao fampiofanana ireo ben’ny tanàna mahakasika ny famolavolana ny tetibola voalohany izao. Izany no natao dia mba hisian’ny tantsoraka sy fanampiana ireo kaomina hanana tetibola mirafitra araky ny tokony ho izy.

Aorian’izao roa andro anaovana fampiofanana izao moa dia tokony hitombo ny fahaizamanao an’ireo mpandray anjara rehetra, ka hahavita hamolavola tetibola mikajy ny fanarahamaso ny fanarahan-dalàna izay hisy ao aoriana.

Ny fandrafetana araka ny tokony ho izy ny tetibola voalohany dia mampiseo ny zava-misy marina ao amin’ny kaomina mba hahafahana mahita ny tsy tomombana tokony ho harenina sy ny mety tokony ho hamafisina.

𝐏𝐫𝐨𝐠𝐫𝐚𝐦𝐦𝐞 𝐀𝐅𝐀𝐅𝐈-𝐂𝐞𝐧𝐭𝐫𝐞 : 𝐟𝐨𝐫𝐦𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐞𝐬 𝐦𝐚𝐢𝐫𝐞𝐬 𝐬𝐮𝐫 𝐥’𝐞́𝐥𝐚𝐛𝐨𝐫𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐝𝐮 𝐛𝐮𝐝𝐠𝐞𝐭 𝐩𝐫𝐢𝐦𝐢𝐭𝐢𝐟 les 𝟎𝟓 et 𝟎𝟔 𝐨𝐜𝐭𝐨𝐛𝐫𝐞 𝟐𝟎𝟐𝟏 𝐚̀ 𝐀𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐨𝐟𝐨𝐭𝐬𝐲

Le projet TAFITA, parmi les cinq (5) projets mis en œuvre dans le cadre du Programme AFAFI Centre, financé par l’Union Européenne, organise une formation de 2 jours à partir de ce mardi 05 Octobre 2021 sur l’élaboration de Budget Primitif (BP) d’une commune. Cet évènement regroupe les maires ainsi que quelques représentants des communes concernées par le projet.

Rappelons que les axes d’intervention du projet TAFITA se focalisent sur quatre (4) thématiques bien définies, à savoir : l’appui à la gestion foncière décentralisée ; la relance de la fiscalité locale ; l’élaboration des SAC ou Schémas d’Aménagements Communaux et la bonne Gouvernance.

Afin d’instaurer et d’avancer sur la thématique de la bonne gouvernance, une formation est entreprise par le Projet TAFITA afin d’appuyer et accompagner les communes pour une élaboration adaptée et correcte du budget primitif.

A l’issue de ces deux jours de formation, les participants pourront dresser correctement le budget de la commune avec une prise en compte des contrôles de légalité qui sont des contrôles a posteriori.

Une élaboration correcte du BP permettra une appréciation de la situation réelle de chaque commune afin de voir les failles à combler et les atouts à renforcer.