Fampianarana famokarana fatana mitsitsy “KAMADO”

Teknisiana miisa 10 no nofanina nandritry ny roa andro. Nifampizarana tamin’izany ny teknika sy ny fomba fanamboarana fatana mitsitsy . “Tsotra ny fanamboarana ny fatana ary akora mora hita eo an- toerana no ampiasaina amin’ izany toy ny tany manga, tany mena, lavenona ary bozaka. Mihena ny kitay lany raha mahandro ary manampy ny tokontrano amin’ny fitsitsiana ny fampiasana azy. Noho izany dia tsy ho sarotra ny hanentana ny mponina sy ireo mpahazo tombontsoan’ny fandaharanasa AFAFI-Sud amin’ny fanamboarana sy ny fampiasana ity fatana ity” hoy i RALAMBONANAHARY Jean Devreyer Pierre, teknisiana mahakasika ny “Nutrition WASH” ao Manantenina.

Ny dingana manakaraka dia ny fanamafisana ny fanapariahana sy ny fanentanana amin’ny fampiasana ny fatana mitsitsy eny amin’ny Ivon-toerana Fandraisaina ny Reny sy ny Zaza (CAEM).

Promotion des techniques de fabrication et d’utilisation des foyers améliorés

Dans le cadre de la promotion des énergies vertes et la réduction de la consommation en bois d’énergie, (10) dix assistants techniques en Nutrition/WASH du Programme AFAFI Sud, Fort-Dauphin ont été formés sur la fabrication du foyer amélioré. L’objectif de cette formation consiste à diffuser les techniques afin qu’ils puissent maitriser le processus de fabrication du foyer amélioré (composition, préparation de et façonnement des foyers), et disposer les connaissances nécessaires pour former d’autres personnes au sein de la communauté.

Une séance pratique a été réalisée à Esalo, au niveau du Centre d’Accueil des Enfants et des Mères (CAEM), et à laquelle les deux agents communautaires dans le Fokontany d’Esalo ont participé.

Voir la galerie photos