Fampahafatarana an’andriamatoa OUTMANI Abderrahmane, Assistant Teknika momba ny fiompiana sy ny fahasalaman’ny biby (AT ESA) tamin’Atoa Vice Ministra de l’Elevage sy tamin’ireo mpiara-miasa aminy

Andriamatoa OUTMANI Abderrahmane, Mpanampy ara-teknika momba ny fiompiana sy ny fahasalaman’ny biby (AT ESA) dia tonga hanampy ny ekipan’ireo Assistance technique ao amin’ny Fandaharanasa RINDRA mba hanatrarana ny tanjon’ny Fandaharanasa. Manana fahaizana manokana amin’ny fiompiana sy ny fahasalaman’ny biby ny tenany.
Ny traikefa sy ny fahaiza-manao hozarainy dia hitondra anjara biriky amin’ny fampivoarana sy fanavaozana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara mba hifantoka amin’ny tsenam-pirenena sy iraisam-pirenena.
Ny foibem-pitondrana misahana ny Fiompiana (DGE) sy ny sampan-draharaha ao aminy (Direction des Services Vétérinaires (DSV), Direction d’Appui et d’Evaluation des Produits de l’Elevage (DAVPE) et Direction d’Appui aux Productions Animales (DAPA)) eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena, ny fiompiana dia hahazo tombony manokana amin’ny fahatongavany.
——————
M. OUTMANI Abderrahmane, Assistant Technique Elevage et Santé Animale (AT ESA) vient de rejoindre l’équipe de l’assistance technique du Programme RINDRA afin d’atteindre les objectifs dudit Programme. Il dispose d’une expertise en matière d’élevage et de santé animale.
Les expériences et les compétences qu’il partagera permettront de contribuer au développement et à la modernisation du secteur de l’élevage à Madagascar pour se concentrer sur les marchés nationaux et internationaux.
La Direction Générale de l’Elevage (DGE) et ses directions (Direction des Services Vétérinaires (DSV), Direction d’Appui et d’Evaluation des Produits de l’Elevage (DAVPE) et Direction d’Appui aux Productions Animales (DAPA)) au sein du Ministère de l’Agriculture, de l’Elevage profiteront de l’expertise de l’AT ESA.