Drafitra ifotony fanajariana ny tany "SAC" (Schéma d'Aménagement Communal) ho an'i Kaominina Ampahimanga sy ho an'i Kaominina Arivonimamo 2 no natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny zoma 02 jona 2023

Paikady napetraka entina hampandrosoana ny firenena ny fanampariaham-pahefana izay ao anatin’ny sori-dalana napetraky ny Filoham-pirenena malagasy.

Zava-dehibe ny fandraisan’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana andraikitra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Nanova ny fitantanan-draharaha izy ireo ary nametraka ny politika momba ny fandrindrana ny faritra. Nametraka ny drafim-panajariana-ifotony ny kaominina izay fantatra amin’ny anarana hoe schéma-d-aménagement-communal na SAC ho fampiroboroboana ny toekarena ny kaominina tsirairay.

V𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐧𝐭𝐬𝐨𝐫𝐨𝐤𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐦𝐩𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐫𝐚-𝐛𝐨𝐥𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐕𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧𝐚 𝐞𝐨𝐫𝐨𝐩𝐞𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲, amin’ny alalan’ny tetikasa-TAFITA ao anatin’ny fandaharanasa AFAFI-Centre, dia miisa 13 ny isan’ny SAC izay horafetina amin’ireo kaominina 26 voakasik’izany, ka ny kaominina Arivonimamo 2 sy Ampahimanga no nisitraka izany voalohany anio.

Nandray anjara lehibe tamin’ny famatsiam-bola sy fanohanana tetikasa fampandrosoana maro manerana an’i Madagasikara ny Vondrona eoropeana. Ny fanohanana ara-bola sy ara-teknika dia nanampy tamin’ny fanatanterahana hetsika maro, anisan’izany ny fananganana SAC.

Ny SAC dia vina stratejika izay hitarika ny hetsika sy ny fanapahan-kevitra hiantohana ny fampandrosoana mirindra sy maharitra ny kaominina misitraka izany.

Tsy miandry fanampiana ara-bola avy amin’ny fanjakana foibe sy ny mpamatsy vola fotsiny intsony ny kaominina manana SAC fa ny vahoaka eny ifotony no mandray an-tanana ny vinam-pampandrosoana anatin’ny fohy ezaka atramin’ny lavitra ezaka. Izany no tombony lehibe amin’ny fanomezana sy fandrafetana ny drafim-panajariana ifotony (SAC) izay nomena ny kaominina ambanivohitra Arivonimamo 2 sy ny kaominina Ampahimanga.

Voir la galerie photos