Atrikasa fampahalalana ireo fitsipika eropeana vaovao ho an’ny fepetra momba ny “sanitaire et phytosanitaire” ary ny fambolena biolojika

Tontosa ny atrikasa fampahalalana ho an’ny mpanondrana sy mpamokatra vokatra zavamaniry izay notanterahina tany amin’ireo faritra : Analamanga, Sava, Boeny, Atsinanana. Mbola hisy ihany koa ny atrikasa ho an’ny faritra Diana. Ireo fivoriana ireo dia nifantoka tamin’ny fitsipika eropeana vaovao eo amin’ny fepetra momba ny « sanitaire sy phytosanitaire » ary ny fambolena biolojika.

Raha tsiahivina, nanomboka ny faran’ny taona 2019 no nivoaka ny lalàna vaovao eropeana eo amin’ny lafin’ny « sanitaire sy phytosanitaire » (anisan’izany ny famonoana bibikely) ary ny fiompiana biolojika. Noho izany dia mila manaraka izany lalàna vaovao izany Madagasikara mba hiantohana ny fidirana amin’ny tsena eropeana ho an’ireo vokatra fambolena.