Andron’ny vilona 2022

Ho fampandrosoana ny seham-piariana ronono eto Madagasikara dia tonga nanotrona ny andro fankalazana ny « andron’ny vilona 2022 » ireo tompon’andraikitra rehetra amin’izany ny Zoma 18 febroary 2022 tao amin’ny Kaominina ambanivohitr’Ampary ao amin’ny Distrikan’i Soavinandriana Itasy, mba hanasongadinana ny maha zava-dehibe ny vilona amin’ny fiompiana omby vavy be ronono.

Ho an’ny taona 2022, ny Tetikasa_PROFI_Lait, iandraiketan’ny MDB, iray amin’ireo tetikasa dimy an’ny fandaharanasa_AFAFI_Centre, vatsian’ny Vondrona eoropeana ara-bola, dia nikarakara ny andro lehibe ho an’ny vilona ho fampisehoana ireo karazana voly vilona mandritra ny vanim-potoanan’ny orana mba hahafahana miatrika ny main-tany.

Miantoka ny fahombiazan’ ny fiompiana omby vavy be ronono sy ny kalitaon’ ny ronono ny sakafo omena azy raha tsy hilaza afatsy ny vilona. Mbola sakana ho an’ ny fiompiana eto Madagasikara anefa ny tsy fahampian’ izany vilona izany satria mbola 40% ny filana no voavaly. Anisan’ ny antony amin’ izany ny tsy fanana tany hambolena vilona, ny fihenan’ ny kijana ary ny tsy fahampiana traikefa amin’ ny fambolena vilona.

Maherin’ny 250 ireo mpandray anjara tonga nanatrika ity andro lehibe iray ity. Tanjon’ ny fankalazana ny fanentanana sy fampianarana ireo mpamokatra ny fomba fambolena ny vilona, ny fanapariahana ny fambolena vilona toy ny Juncao, Bora sy ny moringa ary ny fizarana traikefa eo amin’ ny mpiompy sy ny mpamokatra.

Hanamafisany ny fanohanana entiny dia nanolotra fitaovana “ensileuse broyeur” ho an’ ny fikambanana mpiompy miisa folo avy ao amin’ ny faritra Itasy ny tetikasa PROFI-LAIT.

Niara-nisalahy tamin’ny tetikasa PROFI-LAIT ny Kaominina ambanivohitr’Ampary sy ny orinasa GUANOMAD teo amin’ny fikarakarana ity fankalazana ny andron’ny vilona ity. Velaran-tany mirefy 20 ares no nomen’ny Kaominina hahafahana mamboly vilona sy anaovana fampiratiana. Ho an’ny orinasa GUANOMAD kosa dia nanome zezika guanomad milanja 250 kg.

Tonga nanotrona ny hetsika ny Ministra Lefitra misahana ny fiompina, ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Soavinandriana, ny talen’ny BACE, ny tompon’andraikitry ny fandaharan’asa fampandrosoana ambanivohitra eo anivon’ny Vondrona eoropeanina ary ireo sampan-draharaha maromaro ao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

𝐉𝐨𝐮𝐫𝐧𝐞́𝐞 𝐅𝐨𝐮𝐫𝐫𝐚𝐠𝐞 𝟐𝟎𝟐𝟐

Toutes les parties prenantes au développement de la filière laitière ont été rassemblées pendant la Journée Fourrage grande saison 2022, le vendredi 18 février 2022 dans la Commune Rurale d’Ampary dans le District de Soavinandriana Itasy pour mettre en exergue l’extrême importance du fourrage dans l’exploitation laitière.

Pour l’année 2022, le Projet PROFI Lait, exécuté par MDB, un des cinq projets du programme AFAFI-Centre, financé par l’ Union Europeenne a organisé ladite Journée Fourrage grande saison pour une démonstration des différentes cultures fourragères en saison de pluie en vue de prévenir la saison sèche.

Le fourrage de quantité et de qualité est l’un des piliers assurant la réussite de la production laitière. A Madagascar, la production du fourrage en quantité, mais aussi en qualité est encore insuffisante. Cela est dû à un manque de fourrage chronique sur la quasi-totalité de l’année pour les éleveurs qui ne pratiquent pas la culture fourragère de contre-saison ou la conservation du fourrage. Globalement, la production fourragère couvre uniquement 40 % des besoins du fait notamment de l’indisponibilité des terrains nécessaires à une culture fourragère à grande échelle ainsi que de la raréfaction des pâturages naturels qui reculent et se dégradent en conséquence de feux de brousse répétés ou d’un sentiment d’insécurité récurrent qui conduit les producteurs à les laisser en friche.

L’évènement a rassemblé plus de 250 participants. Des démonstrations techniques sur la pratique de culture fourragère et une démonstration de technique de conservation de fourrage en ensilage ont été également effectuées au cours de cette Journée Fourrage. C’est aussi une occasion de vulgariser de nouvelles espèces fourragères telles que le Juncao, le Bora et le Moringa. Le Projet PROFI-Lait a doté des ensileuses pour 10 Organisations Paysannes laitières de la zone Itasy.

La Journée en question s’est déroulée en partenariat avec la Commune Rurale d’Ampary et la société GUANOMAD. La Commune a mis à disposition un terrain de 20 ares pour cette pratique de culture fourragère et à titre de site de démonstration. Quant à la société GUANOMAD, elle a doté 250 Kg d’engrais guanomad.

Plusieurs personnalités et collaborateurs ont honoré de leur présence cet évènement tels que Le Vice-ministre de l’Elevage, la députée élu dans le district de Soavinandriana, le Directeur du Bureau d’Appui à la Coopération Extérieure, la Chargée de Programme Développement Rural de l’Union Européenne, ainsi que plusieurs Directions du Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage.

Voir la galerie photos