AFAFI-Nord : Fampiroboroboina ny hetsika enti_mandresy ny tsy Fanjarian-tsakafo ao amin’ny faritra SAVA

Amin’izao fotaona izao dia zaza 4 amin’ny 10, latsaky ny 5 taona no mijaly noho ny fahatarana eo amin’ny fitomboany ary 1 amin’ny zaza 5 no tsy ampy lanja.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa AFAFI-Nord, izay mikendry indrindra ny “fanatsarana ny fiahiana sy ny fanjariana ara-tsakafo ary ny fahafahan’ireo tokantrano marefo miatrika izany”, ny hetsika atao hanamafisana ny fisorohana ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka amin’ny zaza latsaky ny 5 taona, amin’ireo vehivavy afaka miteraka, mitondra vohoka sy/na mampinono any amin’ny faritra SAVA, DIANA ary Analanjirofo.
𝗙𝗮𝗻𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗼𝗻𝗶𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗳𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮𝗵𝗮-𝗺𝗶𝗼𝗺𝗯𝗼𝗻𝗮𝗻𝘁𝗼𝗸𝗮
Mba hanatratrarana ny tanjona napetraky ny fandaharanasa dia misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Office Régional de Nutrition (ORN) tapaka ny 07 may 2021 narahin’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana fiaraha-miombonantoka .
𝗜𝘃𝗼𝗻-𝘁𝗼𝗲𝗿𝗮𝗺-𝗽𝗶𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗼𝘀𝗶𝗮𝗹𝘆 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝟯𝟬 𝗻𝗼 𝗵𝗼𝘃𝗲𝗹𝗼𝗺𝗶𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗵𝗮𝗵𝗲𝘁𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗿𝘆 𝗵𝗼𝗺𝗲𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘁𝗮𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮
Ity fiaraha-miasa ity dia hanetsika sy hamelona indray ary iantoka ny fampitaovana ireo ivon-toeram-pisakafoanana sosialy miisa 30 izay natao hiantohana ny fizahana sy fanaraha-maso ireo zaza latsaky ny 5 taona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo. Ireo mpanentana ara-tsakafo sy ireo mpiasa avy amin’ireo ivon-toerana ireo, nofanin’ny fandaharanasa AFAFI-Nord, dia hanome torohevitra momba ny sakafo ara-pahasalamana, fahadiovana ary fomba fanao tsara ara-pahasalamana toy ny maha-zava-dehibe ny sakafo isan-karazany ary manankarena amin’ny otrikaina ilaina, fampinonoana tsy misy fangarony mandritra ny enim-bolana voalohany na ny fanasana tanana amin’ny savony hialana amin’ny aretina sy fivalanana.
Ny fiaraha-miasa ihany koa dia mikendry ny handresena ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny fampiofanana ireo mpisitrika mivantana, indrindra ny vehivavy, amin’ny teknikam-pamokarana efa mivoatra sy ny fitehirizana ny sakafo amin’ny alalan’ny fametrahana zaridaina ana legioma.
Raha tsiahivina, ny programa AFAFI-Nord – SAVA, vatsian’ny Vondrona eoropeana vola mitentina 13 tapitrisa Euros mahery, dia mikendry ireo fantsom-pamokarana ao amin’ny tanànan’ny Ampondra, Nosibe ary Daraina (distrikan’i Vohemar), Farahalana (distrikan’i Sambava) ary Ampohibe sy Ambohitralanana (distrikan’Antalaha).

