02 novambra 2021 – Fitsidihana ara-pomba fanajana tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanana

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny Sekretera Jeneralin’ny faritra Atsimo Atsinanana ny talen’ny BACE, Atoa RAJOELINA Hery Mandimby sy ny mpiara-miasa aminy ary ny solotena eo anivon’ny vondrona eoropeana eto Madagasikara.

Nitohy ny fitsidihana ara-pomba fanajana izay tanterahin’ny talen’ny BACE sy ireo mpiara-miasa aminy izay natao teo anivon’ny « Direction Régionale de l’Environnement et du Développement Durable (DREDD) » Atsimo Atsinanana.

Izany dia nofaranana tamin’ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny « Direction régionale de la Pêche et de l’Economie Bleue », ary koa ny « Direction Régionale de l’Agriculture et de l’Elevage ».

Ireo fitsidihana ireo dia notanterahina omaly talata 02 novambra 2021, ary tafiditra ao anatin’ny asa fidinana ifotony izay atao any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.